Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 02 July 2017

VONINAHITRA IFANOMEZANA

Fotoana toy izao, mifanasa hisakafo ny olona. Ny olona mifankahay no tian-kambara, fa tsy ilay fanasana gaboraraka mampifanitsa-kitro.

Dia hoy aho hoe tsy ny zavatra hanina no zava-dehibe fa ny "hafanana" raketin'ilay fiarahana. Tokony ho hafaliana sy fanamafisam-pifankatiavana ny fiaraha-misakafo.

Dia mbola averiko hatrany hoe ny olombelona dia "misakafo", fa ny biby no "mihinan-kanina". Tsy misy lalàna mahatapa-doha mandidy an'izany, fa izay fotsiny. "Manasa hisakafo" hoy aho, fa tsy hoe "Avia hihinan-kanina". Ahy irery iny.

Ny fivavahana kristiana dia mampianatra fifamelan-keloka sy fanadiovam-po alohan'ny firaisan-databatra amin'ny fanasan'ny Tompo, mba tsy hahatonga izany ho fanamelohana ho an'ny tena.

Fombafomba maro arakaraka ny kolontsaina no manaraka sy miaraka amin'ny "sakafo". Indrindra moa fa "fiaraha-misakafo".

Betsaka ihany koa ny endriky ny ady an-kanina :
•ady teraka noho ny hanina
•ady teraka eo am-pihinanana
•ady ampahatsiahivina eo am-pihinanana
•ady mangatsiaka efa tany ivelan'ny fiaraha-mihinana ary mbola hitohy.

Rehefa tsy maintsy hiray latabatra ihany, mba tsy dia hifanafintohinana be loatra, dia izao :

•rehefa hoe mba samy mitondra, dia ataoko mihoatra ny isanay mianakavy ny fatra

•raha hoe iarahana ny fikarakarana, dia mba apetrako ny olam-piainako rehetra : be asa aho, vizana aho, tsy salama aho, tsy mety mipetraka mihitsy ity zanako ity, nankaiza àry ilay vadiko teo, ratsy toerana ilay fiarakodiako teo ...

•raha tsy ampisotroiko afa-tsy jus naturels ny zanako, dia mitondra aho ary tsy iray kaopy monja no entiko

•tsy any an-tranon'olona aho vao hangataka menaka hanodinako mayonnaise, na vinaigre hanaovako sauce

•raha misy zavatra fadiko na tsy hohaniko dia miomana ho amin'izany aho : sira, akoho amam-borona, kisoa, hazandrano, ...

•raha tsy mahatelina aho raha tsy homan-tsakay, dia mitondra

•raha tsy maintsy toaka fotsy no sotroin'ny vadiko, dia mivatsy izahay

•manaraka filaharana aho ary tsy mitokona eo anoloan'ny buffet mifantina izay tiako rehetra ho anay mianakavy

•tsy ataoko mpiantoka ny sakafonay tontolo andro ny olona ka rombahako hatramin'ny kasoka

•mba manampy amin'ny fanadiovana sy ny fampirimana izaho sy ny zanako efa lehibebe rehefa vita ny atao fa tsy voky dia miongana toy ny kifafa

•mandray anjara amin'ny resaka ifanaovana aho fa tsy miondrika lalandava mitafa amin'ny loviako

•resaka mety hahaliana ny besinimaro no ataoko fa tsy rapport d'activités any am-piasako na fitanisako lavareny ny hasarotry ny fiainako

•tohizo

•ilay lafiny "tia kely" no tiana hasian-dresaka ...


Rondro H.R.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.