Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 23 March 2017

LATSA SY ANTSAFA

 

Vahoaka firifiry no efa tonga teo
Nangata-dranomamy fa matin-ketaheta,
Tao ny ankonankona tsy nahaloaka feo,
Tao ny niahotrahotra sy nipararetra.
Ny tena nahagaga dia izaho nipingapinga
Na dia efa triatra izato sinibeko,
Tsy nisy na dia kely hoe tsiririn-jinga
Nefa dia nahita rano izay nomeko

 

Tsy vitsy ireo niangavy pitik’afo hanafana.
Noheveriny fa ato no manana tahiry,
Izaho toa tsy nitady izay hirika hialana
Fa indro koa nizara tsy afa-nikafiry
Tsy fantany iniany sa tsy fantany tokoa
Fa efa tsy nanetona ny lahin-jiro keliko
Kanefa mbola nisy naloatra avy ao am-po
Indreo natolotro azy ny kaokan’ny tanteliko!


Dia maro, tena maro ireo nitady sira
Hanasina ny fiainany matsatso lany tsiro
Dia indro tazako eto izato halaviran’
Irony taona lasako efa maty jiro …
Raha fantany fa tato dia toy ny tany an-kafa,
Raha fantany f’izaho ka efa lany vatsy ...
Ho fantany ny dikan’ny teny manantsafa,
Ho fantany ny ratra nataony tombok’antsy!

15:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: bozy boleta, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.