Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 03 February 2017

EZA-MAINA

Izany no tena hoe l'espoir fait vivre (ou survivre) les Malgaches!
 
Janvier 2017. Mihantona ny orana any amin'ny anivon-tanin'i Madagasikara. Tondraka sy mihoa-pefy kosa ny renirano sy ny ony any amin'ny faritra atsimo andrefana efa fanta-daza amin'ny hain-tany. Dia nihovitrovitra mafy sy naharitraritra ihany koa ny tany, niainga avy ao amin'ny faritra Vakinankaratra tao ho ao.
 
Nahita olona roa aho. Mpivady angamba izy ireo. "Mivarotra angady" ralehilahy, mitorovoka eo amin'ny tahalaka. Lanaky ny asa, ny hainandro ary inoako fa ny hanoanana ihany koa. Ramatoa kosa mifakofako ahitra amin'ity tanimbary misy fotapotaka! Asa na io no atao hoe ketsan'ny firy vavy, lehibe ihany ilay izy na kely aza. Fa izy roa irery no teo. Manetsa maina Ramatoa! Azo andehanana miaraka amin'ny kiraro ilay tanimbary. Ny solon-koho no anosehana ny ketsa hilentika. Tsy maintsy naketsa ireo zana-bary efa mila hiteraka, tsy afaka hiandry ny orana tsy hisy. Ary dia nohadiana toy ny voanjo ny ketsa fa tsy navotana.
 
Fantatro fa tsy ho sarotiny izy mivady raha nangatahako halain-tsary. Saingy nisafidy ny hanaja aho tamin'ity indray mitoraka ity.
 
Manga tokoa ny lanitra. Tony ny rivotra. Mibaliaka ny masoandro. Ilay famaritan'ny besinimaro hoe "tsara ny andro".
 
Ry zavavy tsy tia orana fa manimba kiraro sy manimba volo : tsara be ny andro e !
 
 

15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: bozy boleta, hain-tany | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.