Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 07 January 2017

MAN IN THE MIRROR

ony rambelo,michael jackson,man in the mirrorhttps://www.youtube.com/watch?v=PivWY9wn5ps&sns=em

 

It's a song which's written by Glen Ballard and Siedah Garrett, made popular by Michael Jackson. Cf Album Bad, released on august 31st, 1987. Translated into malagasy language by Ony Rambelo, journalist, Madagasikara.

 

 

MANOLOANA NY FITARATRA

 

Tapa-kevitra aho eo amin'ny fiainako hitondra fiovana

Izay hinoako fa manomboka eo, hihatsara ny fahatsapana

Hasehoko eo miharihary fa hisy tokoa ny fahasamihafana

Ary ny fiainantsika rehefa avy eo tena hizotra ara-dalàna.

 

Toy ny kaikitry ny hatsiaka rehefa andro ririnina iny moa

No hitsofan'iny rivotra iny ireo fahatsiarovana ao an-doha

Hitako indray izao ireo ankizy mila ho fatin'ny hanoanana

Hay ve moa hatramin'izay, raha tsy jamba aho dia pahina?

 

Ninia tsy nahita akory izay mety hilain'ireo ankizy ireo

Fahavaratra, lohataona na ririnina, izy ireo dia mitoreo

Very fanahy mbola velona toy ny valala voatango ireny

Mifanjohy hatraiza hatraiza, mirenireny eny rehetra eny.

 

Eny, atomboko aminao izay manoloana an'io fitaratra io

Ny fomba ratsinao tokony hovàna hita taratra ao, tadidio

Tsy misy hafatra intsony angamba mety hazava noho izao

Raha tiana hiova ho tsara kokoa izao Tontolo iainantsika izao.

 

Koa aoka ianao raha azo atao, hanaiky hiova, handini-tena

Izaho koa fahiny ange toa anao e, nandevozin'ny fitiavan-tena

Tonga kosa anio ny fotoana. Izao aho vao tena tonga saina

Fa misy ireo tsy manan-kialofana, tsy kitay, tsy vary maina.

 

Dia izaho irery ve no sahy hilaza fa misy koa ny toa azy ireo?

Toy ireo karazana hazomalahelo, izay mitolefika sy mitoreo

Misy ireo maratra am-po, tsy mba afaka hanantena intsony

Mivezivezy toy ny tadio eny amin'ny habakabaka eny ambony.

 

'Ndeha hotanterahintsika dieny izao, dieny mbola misy ny fotoana

Satria raha mihidy izany fo, ny saina amam-panahy no misavoana

Ianao ilay rangahy, ilay rangahy izay manoloana an'io fitaratra io, ianao

Ianao ilay rangahy mitaratra io, ovay ny toetranao anio.

 

Izao ezaka ataontsika izao, minoa fa hitondra tokoa fivoarana

Raha tanteratsika tokoa izao, isika hianoka FAHASAMBARANA

Ireo toetra ratsy fahitanao io ange, dia taratry ny ao anatinao

Koa raha miova izaho sy ianao, dia hiova koa IZAO TONTOLO IZAO.

 

Noho izany re Rangahy, ianao mipetraka very hevitra io

Raiso an-tanana ny hoavinao, tapaho ny hevitrao anio

Koa raha mety mino ahy ianao, aza miandry izay ho sisa

Fa 'ndeha hiainantsika dieny izao izay atao hoe PARADISA.

 

©Ony RAMBELO

22:45 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ony rambelo, michael jackson, man in the mirror | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.