Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

I BARY KELY RESY LAVA

Ny vintana ve no tsy tsara sa dia ahoana fa tsy mba mahita mangirana eo amin’ny fiainana mihitsy i Bary havanay ! Asa koa na i Dadatoa mitaiza azy no tsy mahomby nefa dia mikiribiby ihany. Hatrizay nahatsiarovako saina dia tsy mba mety tody hatramin’ny faran’izay ataony i Bary. Hafa moa ny anarany taloha, saingy noho izy toa tsy ambinina mihitsy dia efa imbetsaka nanova anarana. Raha mba miady ny samy boaikely, dia resy hatrany satria na ny anarana aza tsy mba mampatahotra, ny vatana efa kely rahateo.

Ny farany teo no hotantaraiko : nampanaovin’i Dadatoa Bakalôrea i Bary nefa kilasy fahatelo. Tsy dia mikendry « mention » be fa na « après délibération » aza tsy maninona. Dia niakatra tanàn-dehibe hiatrika ilay fanadinana ao amin’izany hoe Lycée Nanisana izany. Ny marainan’ny andro voalohany àry dia taxibe mankany Tanjombato no nandehanany satria io no teo akaikin’ny trano nivantanany. I Dadatoa kosa ange no tokony handrindra an’izany e. Iny aloha dia efa nampisahotaka an’i Bary ary antony iray nanazavany ny tsy nahombiazany tamin’ilay fanadinana. Faharoan’izay, sahirana be, hono, ny vavoniny tamin’ireo sakafo tsy mahazatra nataon’ny mpampiantrano. Tena tokony ho afaka mihitsy anefa, hono, izy satria tena mora ilay laza adina. Fahatelo, dia tsy ampy mihitsy, hono, ny fandrisihana mba ataon’i Dadatoa azy. Ohatra hoe mba homena ohatrinona izy raha mba afa-panadinana. Nefa ange i Dadatoa ka toa hoe mahazo fanampiana avy amin’ny havana aman-tsakaiza. Tamin’ity aza izy mba tsy nitondra olona betsaka hanotrona an’i Bary hanao fanadinana any an-drenivohitra ilay sady mba mizaha tany no manararaotra miantsena.

Dia tsy afa-panadinana indray i Bary. Ampahatsiahivina fa kilasy fahatelo izy no nalefa hanao Bakalôrea, ary efa nanaraka « cours accéléré » nandritra ny iray volana be izao. Tamin’ilay nanao CEPE moa dia very teny amin’ny fitobian’ny taxi-brousse ny akanjo tokony hanaovana ka izay no tsy nahafaka azy.

 

Bozy Boleta

in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

 

11:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.