Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

ETO ASIANAO SONIA

Matetika dia eo amin’ny fotoana mahamaimaika ny tena hatrany no tonga mampanao zavatra eny amin’ny toerana iray. Ohatra hoe hampanadio lamba eny amin’ny « orinasa » matihanina amin’izany. Matoa moa entina any dia lamba sarobidy izay : na eo amin’ny karazany mila fikarakarana manokana, na eo amin’ny vidiny. Ary io vidiny io dia mety tsy ho ny sandany eny an-tsena ihany, fa ny lanjany eo amin’ny fiainan’ny tena indrindra koa (valeur sentimentale).

Andeha hatao hoe kaompilé mariazinao no entinao hosasana. 10 000 Ariary no saran’ny manasa azy. Dia omeny tapakila kely ianao ka hoy izy : « Eto asianao sonia, dia ity no hangalanao azy afaka roa andro ». Kingakinga ianao manao sonia satria mety mbola misy fotoana hafa hovonjena, mety mibahana ao ivelany ny fiaranao. Rehefa any an-trano dia vakio miadana amin’izay ireo soratra rehetra ao amin’ilay taratasy. Soratra faran ‘izay bitika eny ambany indrindra no milaza fa raha sanatria simba na very ao amin’ilay orinasa io akanjonao io, dia honerany aminao ka ny vola haloany dia tsy mihoatra ny indroan’ny saram-panadiovana. Nasianao sonia soa aman-tsara io taratasy fifanekenareo roa tonta io. Ekenao izany ny fepetra.

Izany hoe raha tena simba na very, na lazainy fa simba na very io akanjo io, dia homeny 20 000 Ariary ianao ka asa na haveriny koa ilay 10 000 Ariary nanasana azy na tsia. Ny metatra tamin’ny lamba dia teo amin’ny 15 000 Ariary teo ho eo, ny karama nanjaitra dia 100 000 Ariary. Ny akanjo angamba vao nanaovana indray mandeha monja.

Ka tsy hitako moa izay hambara. Hoe vakio tsara ve vao manao sonia sa ahoana. Hosasana amin’ny rano sy vovo-tsavony ve izany ilay lamba. Tsy hitako izay hambara.

 

Bozy Boleta

in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

 

11:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.