Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

VERSEMENT ARA-POMBA MALAGASY

 

 

Lanonam-panambadiana no horesahina. Taloha, fony mbola tsotsotra kokoa ny fiainana, dia manomana vatomamy ny tompon-janaka hatao raharaha mba homena izay olona tonga manatitra tso-drano any an-tokantrano. Ankehitriny moa dia efa vitavitaina eny am-piangonana sy eny amin’ny toeram-pisakafoana eny ny fanolorana izay atolotra.

Tso-drano moa no ilazana iny marika iny, na vola io na fanomezana hafa. Ary tsy iny angamba no zava-dehibe teo aloha fa ilay « firariana » tononin’ny olona ho an’ny mpivady vao. Samy manana ny vetsovetsom-pony amin’io. Ny fifanatrehana am-pilaminana, ny fifandraisan-tanana dia sarobidy tokoa : mba ho voaray tsara ny « tso-drano zava-mahery » avy amin’ny olona, mba ho hita tsara daholo ireto mpanotrona satria io dia fotoana anasan’ilay tokantrano vao ny havana aman-tsakaiza. Io no endriky ny fahaizan’ilay tokantrano vaovao « mandray olona ».

Indrisy anefa fa dia atosi-bohon-tanana ny olona (misy koa moa ny be kabary loatra) ka dia asiana fanantazan-drakitra mihitsy eny am-baravarana mba hasiana ny firotsaka e. Tsy an-kiresadresaka fa manafohy ny fotoam-pikoranana. Sanatria toy ny miteny hoe ilay vola ihany no tena ilaina sy andrasana aminareo.

Rehefa hatao « anonyme » toy izay ange izy io (satria tsy àry hivatsy penina hanoratany ny anarany amin’ny valopy daholo ny olona) dia mety hisy hikidaona fotsiny e. Ka sao hila tombony ka hatombiny eo nefa ny tetikady mba hoe « payez avant de consommer » !

 

Bozy Boleta

in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

10:45 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.