Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 10 December 2016

FEHIM-PIHAVANANA

Sarotra ny miaina na eo aza ny orona !


Ilay « règlement intérieur » any amin’ny toeram-piasana no holazaina. Sabatra roa lela ho antsika Malagasy ity Fihavanana ity. Ireo atao hoe « an-kasoavana » dia mba azo ihodivirana ihany. Saingy hojerem-potsiny ve ity tompon-trano na ity mpiara-manofa trano mifanao ambony ambany nidonam-pahoriana ? Hodiana fanina ve ny fodiamandrin’ilay ray na reny niantoka tamin’ny batemy ? Havela amin’iza ity ankizy mpanampy voatery naiditra hôpitaly noho ny tsy fahasalamana ? Ny vetsovetso sisa no hampombaina ilay tena namana nindaosin’ny fahafatesana fa tsy afaka handevina azy akory.


Noho ny asa aman-draharaha daholo izany ry havana fa tsy hakamoana na hoe miamboho adidy. Vava be ny an’ny ao am-piasana : tsy ao anaty fehim-pihavanana izany, azo alaina amin’ny zo hiala sasatra ihany saingy raha samy handevina ny mpiray fokontany aminy daholo dia iza no hanao ny asa ? Marina kosa aloha izany. Fa sarotra be ny mandanjalanja ny marina sy ny rariny sy ny hitsiny ao anaty sobikan’ny toe-karena.


Toy ny tsy mba ho tratry ny aloka ilay mpandraharaha ny mpiasa (sady vonton’anatra no misolelaka ihany koa) ka mampisafidy na ny asa na ny adidy fa ny asa no ihinanan-kanina. Ary aza gaga fa misy misafidy hamoy ny asany noho ny Fihavanana, ny Fivavahana, ny Fanatanjahantena !


Mety mba mahatsapa izany koa ange ireo tompon-kavana akaiky ka tsy ho sarotiny, saingy ny eritreritr’ilay mpiasa voatery hiera mihitsy no mangeja azy : matahotra ny tsiny e.


Fa raha izaho aloha no misahana ny momba ny mpiasa dia izao : aleoko izy mitsotra hoe handevina izay tiany halevina dia banga andro iray, toy izay hilentika hisary marary dia hahazo fiatoana roa na telo andro.

 

Sady mbola hihomehezany koa aho hoe vendrana tsy ampy namidiny !

Bozy Boleta
in Jinjany Kely, Midi Madagasikara (2006)

 

11:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jinjany kely, rondro h régnier | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.