Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 31 December 2015

NY ZANAJAVATRA NITADY RAHARAHA

Aleo hitantara angano faramparany i nenibe.

Niainga, hono, ity zanajavatra nitady karama. Tsy tao ny tompon-tanàna, fa ny mpiandry saha no niseho niady varotra :

-valopolo raha sahy ianao.

-tsia, hoy ilay zanajavatra. Izaho tsy hanao raha latsaka ny ariary zato. Izaho mita rano mandeha aty, lafo be ny saran'ny lakana

-eny àry fa hidi-kizo aho, hoy ny mpiandry saha. Ho tian'ny tompon-tanàna tokoa ianao fa tena miavaka. Fa mba afaka telo volana vao fenoina ny volanao.

Dia nieritreritra sy nikasa hanorin-dasy teo ity zanajavatra satria dia nifanitsy tsara tamin'izay nilainy ity raharaha. Nihafiana ny telo volana. Efa zatra manao asa maimaimpoana loatra ihany koa. Tsy nila nampiseho fahaizana, satria tsy takona afenina toy ny tafika andrefan-tanàna izany :-).

Vita ny telo volana. Valopolo ihany no naloan'ny mpiandry saha! Oadray.

Nanambana hiala ilay zanajavatra satria hitady fivelomana no naleha fa tsy hamono tena. Tsy mila mita rano raha izany fa mampitombo masonkarena fotsiny!

Dia nolambolamboina tsara, satria nekena tao anaty fa ilaina. Dia niakatra ny nifin-tsofan'ny vola nomena, dia nidina tsindraindray fa hoe tena ratsy ny asa. Mba hita ihany ny ataon'ny manodidina fa  dia samy manana ny ataony hoe tsara tokoa. Nihamafy tsikelikely ny fifehezana, naroso ny ora fidirana, nahemotra ny ora firavana. Sao miadana loatra any an-trano, ka nahitana antony hampiasana sabotsy ... Dia niampy alahady. Kely sisa dia nananganana kilasimandry tao amin'ilay toeram-piasana.

Toy ny sampam-pitsikilovana kely ilay toerana. Ahazoana tambin-karama ny fitaterana any amin'ny mpiandry saha an'izay fiaina-manokan'ny tsirairay. Hatramin'ny lokon'ny atin'akanjo! Miady fo sy mifanipaka toy ny valala an-karona ireo hoe mpiara-miasa. Samy manafina kibay any an-kelika. Mitorajofo loatra ny fifosana ka betsaka ny resaka diso adiresy tonga mivantana eo am-poto-tsofin'ny zanajavatra! Ka izany no maha-zanajavatra azy ... Mibaradaka eo anatrehany ny mpanao ratsy.

Tsy faly ny tompon-tanàna satria tena tsy tiany ny mafy loha sy matoky tena. Tsy vitan'izay fa toa manana hery hafahafa mampanahy ity zanajavatra ity. Ataovy izay maha-reraka azy, ataovy izay tsy hananany fotoana malalaka sao tsapany eo ny fanambakana azy.

Novaina matetika ny fifanarahana ka nanjary karama am-paritra toy ny an'ny mpanetsa sy mpitaom-biriky ity izy! Toy ny antsapaka sy ankamantatra ity vola raisina. Mbola manombin-kena ihany koa ireo mpiandry saha sy mpitanty ran-kena isan'ambaratonga.

Telo taona tao aoriana, nitsontsorika ho fitopolo ilay valin-kasasarana sy vidin-katsembohana : mbola latsak'ilay valopolo niadiam-barotra tany am-piandohana!

Vidin-katsembohana ara-bakiteny satria trano mihiboka toy ny vata fitaratra mirindrim-belona ity toeram-piasana ka dia mampivoa-dinitry ny hafanana tokoa.

Toy ny vara-datsaka tamin'izy mianakavy ny fametraham-pialan'ny zanajavatra. Tsy nampoiziny ary tsy fahitany. Mandroaka no hainy fa tsy zatra ilaozana.

Veloma e. Roapolo tapitrisa ny mponina eto Madagasikara. Samy araka ny karazany avy ireo ka tsy hilaozan'izay tena mahafa-po!

Angano, angano.

Arira, arira.

Tsy olombelona daholo no mameno ny tany. Aza tia toratoraka sao mahavoa mason'angatra. Ary tena misy ny zanajavatra!

 

23:55 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.