Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 08 December 2015

ANGAMBA HIONONA AHO

Tsy afaka ao an-tsaiko
Ilay topimasonao
Nahatazana ahy tonga vao maraina,
Iny kay fa tsy haiko
No fara topimaso
Nahitanao ahy, ianao nanary aina

Tsy afaka ao an-tsaiko
Ny fitolokonao nanaiky tsy namaly,
Tsy zaka nobataiko,
Na inona finiavako hanafaka ny jaly.

Mbola taona firy no hilanjako irery
Ny alahelo anao?
Mitondra hirifiry ny foko rako-pery
Indrisy hatramin'zao.

Nitanondrika aho tsy afaka nanoatra,
Voakapoka mihitsy
Ilay teo an-doha fandriana,
Nijery anao natory ...
Fotoana farany iny, mbola nanamboatra
Ireo lamba vitsivitsy,
Fara fitafiana
Tsy hosasako intsony.

Mandry fehizay ianao ry Neny tiana,
Afa-pahoriana ...
Tsy nahatana anao na ny herin-tena
Na vola aman-karena.

Na inona no kiry tsy hisarahantsika,
Indrisy fa voadika,
Lasa ianao ry Neny
Nangina tsy niteny.

Tonga teo daholo ireo sakaizanao,
Tonga marobe.
Tonga teo daholo sy nitomany anao :
Mba hitanao va re?

Nanenika ny trano ny havana rehetra,
Ireo izay tia antsika
Nanao ny fara hery, nanampy tsisy fetra.
Ilay fiangonantsika, hipoka sy hika.

Angamba hionona aho nahita ny endrikao
Mirana sy tony
Mandry am-piadanana,
Miandry am-piadanana maraina vaovao
Tsy hangirifiry intsony.

Angamba hionona aho eo am-pamitana
Izay natombokao
Hamelo-maso ihany ny trano sy tanàna
Mba nimatesanao.

Angamba hionona aho
Hiezaka hanaiky hamerina ao an-tsaiko
Fa tena misy fetra,
Fa tena tsinontsinona ny zavatra mba haiko!

26 oktobra 2015

08:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.