Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 18 August 2012

FITONDRANA TSARA TANTANA

 

FIJERIN'OLON-TSOTRA

Isaka ny vao miandoha ny volana jona, ny vain-dohan-draharahako dia ny manangana ny fanevam-pirenena hihofahofa eo an-davarangan’ny tranonay. Niainako ny faramparan’ny repoblika voalohany, ny repoblika faharoa manontolo, ny repoblika fahatelo sy ireo karazana tetezamita fa tsy niova mihitsy izany fombanay izany satria Malagasy izahay ary mba isan’ny tompon’i Madagasikara na iza na iza mpitondra. Miaraka amin’izany fientanentanana hankalaza ny 26 jona izany koa, nony nahatsiaro saina kokoa aho, dia manao jery tombana lalindalina kokoa mikasika ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny. Tato anatin’ny taona vitsivitsy, dia zary mibahana kokoa amin’ny resaka andavanandro ny politika. Mahavariana ny fampiasan’ny mponina voambolana vaovao sy tsy fandre eny amin’ny toerana rehetra tsy ampoizina eny. Na aiza na aiza dia heno ny démocratie, société civile, consensuel, inclusif, feuille de route, réconciliation nationale, amnistie, bonne gouvernance, sy ny sisa. Eny am-bavan’ny rehetra, na mpitondra na entina, tsy fantatra intsony na hay ny dikany na tsia, fa ampiasaina aloha mba hanome lanja sy endrika avo lenta ny kabary atao. Ahoana àry no fahazoako, olon-tsotra, ny anankiray amin’ireny, dia ny Bonne Gouvernance nadika maimaika hoe Fitondrana tsara tantana ?

Izaho dia olon-tsotra tsy manana andraikitra manokana eo amin’ny fitondrana raharaham-panjakana, fa isan’ilay « entina », boriboriana hoe « vahoaka ». Ny fiarahamonina kely misy ahy atao hoe fianakaviana sy fokontany anefa dia tena ahazoako sary an-tsaina mihitsy an’izay mitranga amin’ny rafitra mivelabelatra kokoa. Na inona na inona endri-pandrosoana tafiditra tao amin’ny fiarahamonina malagasy, dia tsinjo eny ihany fa tena mbola voafatotry ny kolontsainy ny Malagasy. Raiki-tampisaka ao aminy ilay toetra miandry baiko, miandry mpitarika, miandry mpamaky lay. Izany hoe « miandry ». Ireo ohabolana sy oha-pitenenana samihafa dia tena mbola manan-danja, na tsy lazaina mivantana aza, dia mikiky any am-parahatoka any : ny biby tsy manan-doha tsy mandeha, ka tsy misy afaka handray andraikitra raha tsy misy mpitarika tendrena na manendry tena; mety tsy ho na iza na iza anefa io satria ny manan-joky afaka olan-teny, ka na mahomby na tsia io zoky io, dia omena azy ny andraikitra sao ananan-tsiny … Ny tahotra ny tsiny, ny tody koa dia mitatao lalandava ao an-tampon-doha ka mitombo avo roa heny ny fieritreretana ny tokony sy tsy tokony hatao. Tato anatin’ny telo na efatra taona, dia niharihary hoe hatraiza ny tsy fahalalahan’ny Malagasy amin’izy samy izy. Mifampiandriandry ny mpifanolo-bodirindrina, mifampijerijery hoe iza no manangana ny sainam-pirenena. Teo alohaloha dia mifampihainohaino hoe inona no Radio henoin’ny ato atsimo na ny ao avaratra. Hatramin’izay nahatsiarovako saina ho olom-pirenena Mpifidy, dia mahafantatra olona tsy mba miraika amin’izay fifidianana mihitsy aho. Ireny olona ireny anefa ilay lohalaharana isaka ny misy fihetseham-bahoaka, mila hamoy ny ainy mihitsy manaraka karazana diabe hoe ho fanavotam-pirenena. Ny andraikitra fara fahakeliny amin’ny maha-olom-pirenena azy anefa, tsy ataony akory. Mihanjahanja ny tokotanin-tsekoly rehefa mba hoe fivoriam-pokonolona, sasatra ny mandoa dina rehefa manao taratasy ao amin’ny biraom-pokontany satria babangoana tsy misy voatomboka ny karinem-pokontany, madiodio tsy misy pentina ny kara-pifidianana. Olona firy no toy izany, dia eo am-pelatanan’iza ny fanomezam-pahefana ny Mpitondra ? Olona firy no toy izany, dia iza no afaka hanara-maso ny Mpitondra ? Ireny olona ireny ilay mionona amin’ny hoe “tsy mampitombo ny vary eo an-doviako izany”. Ary dia mora ampanginina ireny rehefa ampitomboina tsindraindray ny vary eo an-doviany ! Izany hoe mora vidiana ny safidiny, mora ampandatsaham-bato ary mora ampidinina an-dalam-be. Olona tsy afaka hamakafaka lalindalina kokoa fa manaraka mora foana izay alehan’ny maro sy izay avo feo. Ahoana moa no ahafantaran’ny olona toy izany an’izay pitsopitsony sy mason-tsivana andanjana ny maha-tsara tantana na tsia ny fitondrana ?

Etsy an-daniny kosa, ireo atao hoe Mpitondra dia mazàna no tonga tampotampoka sy tsy fidiny eo amin’ny Fitondrana. Amin’ny ambaratonga rehetra io. Ary izay rehetra mahazo fahefana ara-pitondrana, dia mitombo ihany koa ny fahefa-mividy rehetra. Azo araraotina tsara ny toetry ny Malagasy moramorainy sy kanosanosa. Mamilafila sy mandrahona tsara araka izay vitany izay eny ambony birao izay raha ny tena izy dia “mpiasam-bahoaka”, mitarazoka ny raharaha, tsy fantatrra intsony na fitakiana kolikoly an-kolaka na tena izay no fandehany. Tsy sahy manontany ny vahoaka, na dia “mpampiasa” aza. Tsy fantany sa tsy tonga ao an-tsainy ? Tsy matoky tena amin’izany ny Malagasy. Zary lasa oha-pitenenana eny ho eny moa ny hoe manao fomba fiasan’ny fonksionera; fa mijanona hatreo ihany izany. Inona moa no hantenaina amin’ny mpiasam-bahoaka sy ny mpitondra fanjakana raha tsy nitakiana fara fahakeliny amin’ny fahaiza-manao izy ireny ? Natao ampy ny tanjany teo amin’ny fiaraha-monina, ka na fahefana sahaza na tsia, dia sahiny idirana sy sahin’ny vahoaka asalotra azy. Firifiry amin’ireo manana andraikitra ara-pitondrana no tafiditra maimaim-poana tamin’izany sehatra izany ? Dia hahagaga ve raha tsy handeha amin’izay tokony ho izy ny fitantanana ? Satria, na izy vao hiana-draharaha, na izy tsy hahatakatra mihitsy izay andrasana aminy, na izy ho variana hameno ny paosiny sy hamaly babena ny fianakaviany manontolo. Mora dia mora ny manao kinanga ny fitantanan-draharaha satria malemilemy ny rafitra fanaraha-maso. Mety misy ihany angamba ny mason-tsivana hahafahana mitsara ny asa vita, saingy ny Malagasy dia tia marimaritra iraisana loatra, tia miala nenina loatra hany ka na ny jiolahy aza dia mbola eritreretina hifampidinihana. Matahotra loatra ny hanara-penitra angamba ny Malagasy ka tena tsy vita mihitsy ny manao inventaires sy mametraka barèmes amin’ny lafin-javatra maro. Mba tokony hanana antontan’isa manaraka ny toetr’andro ny isan’ambaratonga hamantarana ny zava-misy amin’ny fotoana iray : firy ny mponina, firy ny mpifidy, firy ny fitaovam-piadiana, … Mba tokony hametraka fomba fikajy matotra sy tsy miova amin’ny sara rehetra : ny hetra, ny karama, ny vatsim-pianarana, … Mba tokony hisy fomba fiasa itoviana (standard) ka tsy hiankina amin’olona iray ny antontan-taratasy iray fa na iza na iza mandray ny asa ao amin’ny sampan-draharaha iray dia handeha foana io. Ny fahitana azy dia toa iniana akorontana ny rafitra mba tsy hanilihana ny rihitra amin’izay tsy fetezan’ny fitantanana. Tsy ilaozan’izay tsy hisy afaka hanolo-tanana hanampy hanavao fanisam-bahoaka ohatra, eny amin’ny vakim-paritra rehetra eny. Fa satria tsy mahatsiaro tena ho tompon’andraikitra ny olona, dia mihalangalana ary manararaotra fatratra koa ireo mpitantana, dia eto ihany isika.

Araka izany, ny fitondrana tsara tantana dia tsy mandeha ila fa samy tompon’antoka aminy ny Mpitondra sy ny Entina. Mila “Mpitondra” manana ny fahaiza-manao sy ny fahendrena takian’ny andraikitra sahaniny. Mila “Entina” mahatsapa tena fa manana zo hanara-maso an’ireo “Mpitondra”, mampiseho fa vonona haneho hevitra ary mavitrika hametraka ny teniny sy ny safidiny amin’ny alalan’ny fifidianana. Mila “Vahoaka” mahatsiaro tena fa olom-pirenena aloha, vao hifanao ankolafy manaraka an’izatsy na izaroa, ary ny farany kely sy tsotra indrindra amin’izany dia ny manangana tsy miandry fanentanana ny Sainam-pirenena, indray mandeha isan-taona, dia ny 26 jona.

 

 

 

En ligne le 26/06/2012

 

16:30 Posted by Rondro H REGNIER (Bozy Boléta) | Tags: bonne gouvernance, citoyenneté | Comments (0) |  Facebook | |

The comments are closed.