Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 20 March 2017

ZON'OLOMBELONA

10 DÉCEMBRE
 
Lasa ihany ny saina teo am-pandrenesana valan-dresaka iray mikasika ny zon’ny voafonja. Tsy hasian-teny ny amin’ireo voaendrikendrika sy marina mitavozavoza ka manefa eny am-ponja. Ireo tena nanao no horesahina, ary samy mahalala ny tenany ny tsirairay, samy mandre ny feon’ny fieritreretany.
 
Manana zo hanana fiainam-pianakaviana : mba tonga tao an-tsain’ilay mpamono olona ve fa nanapotika fiainam-pianakavian’olona izy ? Ilay mpamily novonoina iny ange ka andrim-pianakavian’olona, vady tiana, zanaka malala, havana tsy foy. Tsy vitan’izay nampijaliana fa notaperina ny ainy mba hangalarana ny fananana izay mety tsy azy akory, dia mbola avalana rano indray na alatsaka an-davaka. Tsy vitan’izay mamoy azy ny fianakaviany fa mipenimpenina etsy sy eroa mitady ny razana.
 
Dia mitaky sy itakiana zo hanana fiainam-pianakaviana ny olona nahavanon-doza toy izany !!!
 
Toraka izany ilay nanolana sy nanao an-keriny ; tsy vitan’izay hoe zaza amam-behivavy, indraindray koa lehilahy na zazalahy, fa dia ny zanaka nateraka, ny anabavy, ny reny, ny havana. Efa mifanahim-biby ange izany ray olona ka dia « biby » toy izany ve dia sahy mitaky sy itakiana zon’olombelona ?
 
Mba nihevitra ny tenany ho olombelona ve izy teo am-panatanterahana izay nataony ?
 
Asa aloha fa raha izaho tsy hampirevy biby toy izany e.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: zon'olombelona | Comments (0) |  Facebook | | | |