Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 04 September 2017

NY VOANJON'I ZOKY MALALA

Aza hitako izay niova hevitra i Zoky malala ka nampiasa facebook dia hitany ity ! Tantaraiko aminareo mantsy ny nanjo azy mba hitsikitsikiana, tsy atao imasony. Fa izaho aloha, onena.

Izy dia nihafihafy kely izay. Tamin'izy mbola tany amin'ny sekoly fanabeazana fototra dia voanjo no fitondrany (nampitondraina azy). Voanjo vokatry ny tany io fa tsy vidina. Ampirimina tsara io ka tsy hanina raha tsy rehefa eny an-dalana hody amin'ny hariva. Tsakotsakoina irery miaraka amin'ny adim-piainana isan'andro.

Indray fakàn-drivotra, dia hoy ny zazalahy madinika mpiara-mianatra : "ahoana lesy e, manasa lesy e, ialahy toa tsy mba mihinana goûter mihitsy, ity lesy makà a! Tsy tia voanjo angaha ialahy?"

Nandà izy. Sady folo hafatra tsy hihinankinana zavatr'olona no efa mahafantatra koa fa misy voanjo iray kapoaka miandry ao anaty kitapo, hohanina eny an-dalana mody.

Indrisy fa nikaroka ka nikaroka. Hay ny voanjon'ny tena ihany ity hoe makà, makà tamin'ny récréation!

Mba tokony ho mahimahina ihany ry zoky malala rehefa misy olona miova toetra tampoka manjary tsara fanahy.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: zoky malala | Comments (0) |  Facebook | | | |