Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 15 April 2017

HAZO FIJALIANA

I Jesosy ihany no nasaina nilonjy ny hazo hamantsihana azy.
 
Dia samy manana ny hazo fijaliana lanjainy tokoa moa ny olona. Hoy #Delacr hoe samy manana ny kapoaka keliny isotroany ny rano tsy tiany.
 
Tokony hampalahelo fa ity iray ity dia nampihomehy ahy. Tena hoe aza manody fa dia nihomehy moa aho.
 
Havanay i Naina-kely. Izy dia rangahy kely raim-pianakaviana faran'izay maresaka. Vao maraina be izy, isan'andro, dia miainga avy any an-tranony any am-badik'i Tanjombato any, mandeha bisikilety, hamonjy asa any Antananarivo any. Tsy fantatro hoe asa inona dia asa aiza, fa amin'ny 4 ora sy sasany maraina izy no tsy maintsy mandalo eo anoloan'ny Toby Ratsimandrava, raha tsy izany dia tara. Feno gendarmes izany Toby Ratsimandrava izany.
 
Indray maraina, tandrifin'ny vavahadin'io Toby io indrindra, dia nisy efa-dahy nanakana izy. Nasaina niala tamin'ny bisikilety, nodarohana dia noendahina izay rehetra teny aminy. Caleçon sisa. Lasa daholo hatramin'ny sakaosy kely misy ny sakafo antoandro, ny taratasy momba ny tena ...
 
Izaho mbola nanontany :
-ary ny bisikilety?
-lasa koa e! Iny no notaingenan-dry zalahy nentiny nitsoaka fa indry koa!! Nanara-maso fotsiny aho hoe iny e ...
-dia ahoana? Nandeha niasa ihany ve?
-ka efa hoe kalisaona sisa ka hiasa ahoana! Niverina nody nanao footing sady nangatsiaka be koa ny andro!

07:45 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: voaendaka, toby ratsimandrava | Comments (0) |  Facebook | | | |