Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 15 April 2012

CITRONS CONFITS

Efa tsara lahatra avokoa ny teto an-tany talohan'ny nanakorontanan'ny olombelona azy. Vokatra ny citrons rehefa manomboka ho ririnina satria ilaina kokoa eo ny vitamine C.
Dia inty averiko eto ity ho anareo tia marikivy
 
-Bocal 250ml
-Citron mavo lehibe 8
-Vovo-tsira 1 sotrokely feno tsara
-Antsy kely maranitra tsara
 
•Sasana daholo ny citron dia fafàna atao maina
•Potserina ny citron 3 hakàna ny ranony
•Tetehina manify ireo hoditra citron avy nopotserina. Esorina izay fotsifotsy matevina tao anatiny (mangidy). Tsy ho afaka daholo fa tsy maninona
•Atao anaty bocal ireo hoditra citron voatetika
•Ireo ambina citron kosa zaraina enina manaraka ny lavany, esorina ny voany sy ilay fotsifotsy matevina eo ampovoany ary ireo hoditra manify manasaraka ny hasiny, izay afaka. Tsy esorina ny hodiny ivelany (maitso na mavo)
•Alahatra tsara ao anaty bocal ireo didiny ireo
•Aparitaka eo ambonin'izy rehetra ny vovo-tsira
•Araraka ilay jus de citron nalaina tamin'ny voalohany. Atao difotra daholo.
•Tsy asiana rano na vinaigre mihitsy
•Azo asiana sakay
•Saronana atao mihidy tsara ary apetraka herinandro eo ho eo. Motraka lasa toy ny crème mihitsy ireo citron rehefa elaela. Azo tehirizina an-taonany rehefa tsy tsabatsabahana amin'ny tanana na sotro tsy madio.
 
Vokatra ihany koa ny goavy ary samy mahay confiture goavy daholo kosa angamba.

15:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: citrons, vitc | Comments (0) |  Facebook | | | |