Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 10 November 2017

UN MILLIARD

Vao nihirahira ny atao hoe RahCkiky dia voamariko fa tiako ny zavatra ataony. Efa nataoko fantany izany. Dia maro no gaga sy somary nanao hehy valaka. Indro ity averiko eto. Efa teto ity dia noesoriko fa natahotra aho. Noventesiko teto manko ilay numéro. Fa raha sendra mahavaky an'ity ilay olona, dia ho identifiée tanteraka aho ! Fa averiko satria mahatsiaro an'i RahCkiky aho. Tsy haiko ny fanoratra azy fa i Rakiki e.

Nisy niantso àry ity izaho. Numéro tena privé-ko.

-Allo, miarahaba anao Madamo (feon-dehilahy manao fiteny avy any avaratra)

-(!) (Ahoana moa no tonga dia hoe "Madamo" nefa aho tsy mbola niteny)

-Allo! Botika Orange ihany e. Elisette añaranao ?

-(Tsy Agence ve no tokony hiantso fa tsy Botika)

-Allo!

-Eny tompoko, ahoana izay. Tsy anarako izany fa diso ianao.

-Ka numéro-nao ity ......... ? Ianao mihitsy no natondron'ilay sinoa mpivarotra Cristal handefasana vola .... millions (teo @ 200 teo ho eo). Tsy mahay teny gasy izy io dia izaho no ni-confier-ny azy nefa mba misy accord tiako hatao aminao.

-Tsy Elisette añarako. Mahay teny sinoa aho fa alefaso direct aminakà sinoanao zegny. Ndreky tsy mi-intéresser an'akà vôlagnao fô hely loatra.

-Ha. Hataoko 1milliard àry e

-Merci aminao fa omeo an'i Rahckiky

-2 milliards tsy mety koa? Añao zao malay vôla blablabla (tsy nisy azoko intsony fa ohatry ny misy teny ratsy)

Izany mihitsy no mampalaina ahy mandray telefona hors répertoire ! Aleo ihany MP

Mirary soa RahCkiky a. Tabassé à mort tany Tamatave i ranamana.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rahckiky, un milliard, arnaque en ligne, razafimamy christian | Comments (0) |  Facebook | | | |