Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 12 April 2017

TRA-BOINA

Inona moa no atao hoe voina.
 
Angamba fahavoazana tampoka ary tsy maharitra ka afaka miarina ihany izay trany rehefa avy eo. Tra-boina no ilazana ny olona tratry ny voina. Ary ny voina mahazo ny havana dia mahatratra ny tena ihany koa. Ny voin-kava-mahatratra. Ka ny atao hoe “voin-kava-mahatratra” dia tsy ilay tsipaipaika sy fanangonam-bokatra atao, tsy ilay fanomezana sy tsipitsipy atolotra ihany koa ...
 
Iza no tokony hampianatra an’izany? Tsy izaho angamba.
 
Matetika dia ny loza ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro no mampisy tra-boina eto Madagasikara. Omena toerana hitobiany ireny olona ireny, mandra-panarenany an'izay nonenany teo aloha. Vonjy maika no dikan'izany.
 
Asa na variana amin-javatra hafa ny tompon'andraikitra fa hadino tanteraka eo ireo olona ireo, miorim-paka sy miorim-ponenana, mitombo taranaka sy loa-jafy ary lasa tompon-tanin-drazana tsy laitra hakisoka intsony! Efa tamin'ny andron'ny repoblika faharoa kosa raha ireo teo amin'ny faritry ny 67 ha.
 
Repoblika faha-efatra. Rehefa narodana an-keriny ny toby nampialofana an'ireo tra-boina zana-tany ireo, dia manao fifindran-tsokina tsy naka sarotra izy ireo, eo ambany lavarangan'ny trano iray tsy lavitra eo, efitreferina lambam-baravarana sy lambam-parafara. Mitaky ny zony, hono, ireo olona ireo, zo hanana trano fonenana, satria tokony ho nihevitra izay hamindrana azy ny tompon'andraikitra vao nanala azy teo amin'ny toerana niantrana azy ...
 
Voalaza fa foko 18 no misy eto Madagasikara. Raha izao no fandehany dia foko faha-19 ny atao hoe Tra-boina.

15:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tra-boina | Comments (0) |  Facebook | | | |