Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 02 May 2017

TENY SOA

Tamin'ny voalohany ny Teny ...

Dia Teny Soa.
 
Karazana boky sy gazety izany namonosan-kena sy siramamy izany taloha! Efa hain'i Neny fa tsy simbaina ireny ary tsy ariana fa ahahy, mba ... hovakiako. Tsy nifidy na inona na inona hovakiana mihitsy aho hatramin'izay ka hatramin'izao fa misy fotsiny ny tiako sy ny tsy tiako. Eto an-tany moa dia ny tsy tiako no betsaka.
 
Tsy ampy ireo boky nanananay, sady maro no tsy takatry ny saiko ka dia nianina tamin'ireo ravin-taratasy feno ran-kena sy maditin'ny siramamy aho. Nisy gazety ihany tao an-trano fa tena tsy tiako ny bikany sady tsy nisy hitan'ny masoko rahateo ireo ranomainty ranoiray mitankosina ambony takelaka mazàna tsoa-tokana. Ireo gazety ireo dia mbola misy tazantazako ao : Maresaka, Hita sy Re, Basy Vava (ilay taloha!), Imongo Vaovao, Dina, Hehy, Matin, Tsiky sy Hehy, Zoko ...
 
Indray andro, nisy nandona tao am-bavahady.

-Mba jereo izao, hoy i Neny.
 
Gaga aho satria tsy mahazo mamohavoha na iza na iza izahay. Lasa aho nitsirika.
 
Inty ny fakitera nitondra valonan-taratasy tamin'ny anarako. Endrey ny hafaliako.
 
Iza no toa ahy, falifaly be mihitsy rehefa mahazo zavatra amin'ny anarako. Toy ny hoe taratasy nalefa paositra. Tamin'izaho mbola zaza io fa ankehitriny tena mampihorohoro ahy indray izany handray taratasy, handray téléphone, voatonontonona anarana
 
Hay aho nanaovan'i Neny famandrihana Gazety-boky natao hoe "Ny Sekoly Alahady" (navoaky ny TPFLM), noho ny fetiko, volana toy izao indrindra. Raha tamin'izao ankehitriny izao angamba izany, dia ho niakatra ny rano tao ambany tetezana fa tondra-dranomaso ...
 
Nony lehibebe aho dia ny Gazety-boky "Ny Sakaizan'ny Tanora" indray no azoko. Ireny no nianarako an'ity Teny ity.
 
Nanjary fantatry ny mpizara taratasy nifandimby ny anarako, ary izy manontolo! Mbola any ilay fakitera farany, fanomeko "bonané" isaka ny fiandohan'ny taona.
 
Dia izay ny sombiny amin'ny tantaram-pitiavanay sy ny Teny izay lava dia lava tokoa !
 
Any izay i Neny ...
 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: teny soa, gazety, neny | Comments (0) |  Facebook | | | |