Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 24 April 2017

RY ANJELY MPIAMBINA ANAY ...

Alarobia. Amin'ny 5 ora hariva. Malaladalaka ny taxibe niainga teo Ambohijatovo, miantsoantso Andavamamba-Ambodin'Isotry-67 hectares. Mbola misy tohiny fa tsy henoko.
 
Taxibe Mercedes lehibe ilay avy any aoriana ny varavarana. Teo amin'ny seza aoriana indrindra, nisy olona roa. Tsy miara-dia izy ireo. Tovovavy tokony ho efa miasa, na mpianatra amin'ny université no teo amin'ny tandrifin'ny lalantsara. Tany amin'ny fitaratra kosa, lehilahy.
 
Misy miantso amin'ny téléphone ilay tovovavy, dia mamaly hoe "efa eto Ampefiloha fa embouteillage be fa mi-bip aho rehefa tonga".
 
Dia hoy ilay lehilahy teo akaikiny : "tandremo ny phone-ndry fa be mpangalatra ange zao e. Sady tsy ampoizina mihitsy ry lé-rony. Ataovy anaty poketra iny fa aza tazonina ohatr'izao."
 
Tena resak'olo-matotra, tsy itony mpampiresaka matihanina manomboka amin'ny hoe "ohatry ny efa hitako indry".
 
Tsy henoko izay avalin'ilay tovovavy. Dia hoy ilay lehilahy : "tena mampatahotra ahy mihitsy indry amin'iny téléphone iny fa ndao hifamadika. Aleo izaho côté couloir dia indry aty amin'ny sisiny aty, dia aza vohaina ny fitaratra".
 
Dia nifamadika toerana tao izy roa kely.
 
Teo amin'ny arrêt atao hoe barrière amin'ny lalam-by manapaka arabe eo Ampefiloha, dia nihoraka tamin'ny feo kendakenda ilay tovovavy, hoe "mpangalatra !"
 
Lasa ilay téléphone. Toy ny hakingan'ny piso no nitsehan'ilay lehilahy mpananatranatra an'ilay téléphone tao anaty poketra. Ilay lehilahy teo akaikiny io e.
 
Indro izy nilamina tsara nanaraka ny sisin'ny cité Ampefiloha, ilay mira zotra amin'ny lalam-by, sady nikopakopaka anay tao anatin'ilay taxibe.
 
Mety notohizany kely izao ilay chat tamin'ny Facebook tao ...

12:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: taxibe, mpanendaka, téléphone | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 Next