Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 07 June 2017

SEKTA, NY TANJONY

Izay fikambanana rehetra miorina, na ara-barotra na ara-pianakaviana, na ara-politika, na inona dia manana zava-kendrena mazava tsara tokoa. Mety ho tombontsoa iombonana io, mety ho an’ny mpanorina sy ny lohandohan’ny mpisorona ihany. Tsy mivaona amin’izany ny sekta. Samy tonga hitady tombontsoa ao na ny mpikambana tsotra na ireo mpitarika. Matoa velona ny fikambanana iray, dia mbola samy mahita izay tadiaviny ao daholo ny tsirairay, na ny mpikambana tsotra na ny mpitarika.
 
Nahoana moa no manangana sekta sy manatona sekta ?
 
2-1-Vola aman-karena
Hoy ny ohabolana malagasy : ny vola no maha-rangahy, ny olombelona jamban’ny vola, ny vola tsy misy fofona, ary ny fitadiavana azy dia mahazaka maniraka tokoa. Mitombina maneran-tany izany. Misy mpandinika milaza mihitsy fa fiharian-karena tena mahomby ny sekta (un business qui rapporte). Samy manantena vola mikararana ao amin’ny sekta daholo na ireo mpikambana lany aiky tany ivelany, na ireo mpitarika sy lohandohan’ny mpisorona, indrindra indrindra. Amin’ny fomba ahoana àry ?
 
   2-1-1-Avy amin’ny mpikambana
Ny mpitarika ny sekta dia olona to teny, tsy refesi-mandidy ; ireo mpikambana kosa dia feno faharesen-dahatra ka mahafoy ny zava-drehetra ho an’ny fikambanana sy ho an’ny mpitarika. Mampitsiriritra ny fiaimpiainan’ny mpitarika : mijoro vavolombelona rahateo izy fa noho ny fahafoizany be no ahazoany be ihany koa. Dia rafitra mba mandrotsaka ny karazana fahafolon-karena izay takiana aminy na alaina amin’ny fianakaviany ny mpikambana, sitrany ahay fitahiana. Dia miditra fatratra ny volan’ny fikambanana. Ho an’iza anefa moa ny vola ary hatao inona? Hanaovana ny asan’Andriamanitra, anohanana ny irak’Andriamanitra satria raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy ka anorenana trano hitoerany izy, ividianana fiarakodia hivezivezeny.
 
Eo koa ny sandan’ny asa maimaim-poana (bénévolat) ataon’ny mpikambana, izay mahafoy tena mihitsy : mandeha an-tongotra na mianto-tena manao ny asan’ny fikambanana, mikatroka andro aman’alina tsy misy tambin-karama. Tsy dia mampidi-bola mivantana izy amin’izany, fa efa tsy mamoaka koa aloha, ka dia tombony be ho an’ny fikambanana. Ampiasaina hanasoavana ny fikambanana avokoa ny talenta rehetra ananan’ny mpikambana : ny asa tanana, ny asa saina, ny fitaovana. Tsy ilaozan’izay hisy mpandrafitra ny mpikambana, mpandrary biriky, mpahay tao-trano, mpikirakira teknolojia maro samihafa. Manan-karem-pahasoavana ny fikambanana ka tsy miala vola. Ireo olona koa faly fa mahatsiaro tena ho « ilaina » ka dia tsy miroa fo. Tsy tsapa ny fatiantoka fa jamban’ny tolotolotra sy tombontsoa kely madinidinika : ody ambavafo, fitafiana kely, trano fialofana tsindraindray … Tsy tsapa ny fahavoazana satria feno ny fandaharam-potoana ka tsy ahafahana mandanjalanja ny miditra sy ny mivoaka, mahazo doka sy tso-drano rehefa vita ny asa ka mino sy mitehi-tratra. Mahatsangana foto-drafitrasa maro sy tsara ary manara-penitra tsy dia be masonkarena firy ilay sekta. Vola mipetraka daholo izany.
 
   2-1-2-Avy amin’ny asa fiharian’ny fikambanana
Fikambanana mijoro ara-dalàna eo amin’ny tany sy ny fanjakana misy azy ny sekta ary tena imasoany tokoa io alohan’ny hanorenany lasy. Ahafahany mandeha mangataka famatsiana sy fanampiana etsy sy eroa izany satria izy dia mitonona ho manao asa fanasoavana sy fampandrosoana. Tsy naorina hojerem-potsiny ny trano, tsy nangonina fahatany ny fitaovana ananana, fa ampiasaina mba hampiditra vola ihany, vola hatrany. Mba ho fanampin’izay vola efa midi-potsiny avy amin’ireo mpikambana terena sy ireo mihevitra ho nahazo fahasoavana ka manolotra raki-boady, dia manana asa fihariana hafa koa ny sekta. Itsofohany ny sehatra rehetra, tsy vitsy ny orinasa goavana izay sekta no tompony. Mikarakara hetsika sy fiofanana samihafa izy, mangataka izay foy amin’ny boky zarainy na amidiny tsotra izao. Mampidi-bola ireny.
 
Any amin’ny firenena maro, toa an’i Etazonia, dia tsy mandoa hetra na haba ny vondrona na fikambanana mitonona ho miankina amin’ny finoana. Tsy akàna hetra ny vola rehetra miditra, ny fananana (fiara, trano, tany). Tsy andoavana fadin-tseranana ny entana ampidirina izay ambara fa fanomezana avy amin’ny malala-tanana ary hoentina hanaovana asa sosialy. Hain’ny sekta ny mampiasa ny lalàna manan-kery ho amin’ny tombontsoany. Ananany ny tahirin-kevitra sy ny rijan-teny manaraka ny toetr’andro. Ary ataony manara-penitra sy atsangany ho ara-dalàna ny fikambanana aoriny amin’ny toerana iray. Sehatra iray iroboroboan’ny fandiovam-bola maloto ny sekta araka izany ; rafitra anafenana fihariana mamoafady sy maizimaizina maro : zava-mahadomelina, halatra, vono olona, varotra olona, varotra taova, faneràna mpivaro-tena (ireo vehivavy ao aminy atolotra ny mpanefoefo, amin’ny anaran’ny fijangajangana masina (5)).
 
2-2-Fahefana sy voninahitra
Ilay psychologue Abraham MASLOW dia nandinika fa misy ambaratonga dimy ny filàn’ny olombelona (7). Filàna faratampony ny te hanavaka ny tena amin’ny ankapoben’olona, hanambara hoe « izaho no tena izy ». Tsy ho afaka hanao izany anefa raha tsy efa to sy mandry daholo ny dingana rehetra eo aloha : ny sakafo, ny akanjo, ny trano, ny asa, ny fiainana anaty vondrona, ny famoronana sy fahavitan-javatra.
 
Raha mbola eny amin’ny zana-tohatra ambany (fitadiavana tombontsoa madinidinika amin’ny fomba heveriny ho moramora) ny ankamaroan’ny mpikambana, efa tonga eo amin’ny filàna fahefana sy voninahitra kosa ny mpitarika sekta. Efa « avo lenta » ny filàny.
 
   2-2-1-Hifehy vondron’olona
Fahafinaretana lehibe ho an’ny mpitarika ny fananana olona eo ambany vahoho tanteraka, manaiky tsy misy adihevitra an’izay rehetra ampanaovina azy. Ny foto-kevitra na tsangan-kevitra ventesina isan’andro dia efa azy mpitarika rahateo. Izany no mibaiko ny fitondran-tenan’ny tsirairay sy ny fifandraisana ao anatin’ny fikambanana, ary dia miray volo tsy misy iavahana ny besinimaro. Eken-teny tanteraka ny mpitarika, miankin-doha aminy ny mpikambana rehetra. Izy no manapaka ny safidy rehetra tokony hatao eo amin’ny fiainana : ny fandaharam-potoana, ny hanin-kohanina, ny fitafiana anaovana, ny fomba fiteny sy ny voambolana ampiasaina, ny sampam-pianarana arahina, ny vato alatsaka amin’ny fifidianana, ny vady halaina, ny fasana ilevenana, ny fotoana ahafatesana koa aza satria dia misy ny mampanao famonoan-tena faobe. Ao anatin’ny sekta no ahafahan’ilay mpitarika mahazo izany fahefana rehetra izany, izay tsy ho hitany na aiza na aiza.
 
Ireo mpikambana tsotra kosa, dia faly miakatra grady ao anaty vondrona. Mifaninana izaitsizy amin’ny fanompoana ny fikambanana sy fandambolamboana ny mpitarika, mba ho lasa tanan-kavanany, avy eo ho lefiny, any aoriana mety handova azy. Voadokadoka sy mahazo fankasitrahana avy amin’ny lehibe ny sasany ka dibo-kafaliana satria tebaka sy tsiny no fahazo tany ivelany. Rehefa mandroso amin’ny antanantohatra ao anaty fikambanana dia mba lasa manana fahefana amin’olom-pehezina vitsivitsy koa. Isan’ny sehatra manome fahafaham-po an’izay « filàna » izay ny sekta.
 
   2-2-2-Hanapaka amin’ny sehatra mivelatra kokoa
Toy ny fisotroan-dranon-tsira ny zavatra rehetra ho an’izay efa tsy mahalala onony rahateo, ka dia entanin’ny faniriana te hanapaka amin’ny sehatra avoavo kokoa ny mpitarika sekta. Noho ny tanjaka lehibe ananany : vola, ilay maha-izy azy mihitsy (personnalité, charisme), ny firaisan-kina lehibe eo amin’ireo mpikambana, ny fananany tamba-jotra (réseau) goavana maneran-tany, dia miha-to teny eo amin'ny iraisam-pirenena koa ny sekta iray satria atahorana (izany hoe mety hahavanon-doza), iankinana (satria mpamatsy vola). Afaka mitsabatsabaka amin’ny fitondrana sy raharaham-panjakana izy, izay zary fanjakana kely ao anaty fanjakana. Manana ny teny hambarany koa ny sekta goavana amin’ny fanapahan-kevitra raisina eo anivon’izao tontolo izao. Na iaraha-mahita aza ny loza atataony, tsy dia misy sahy manohintohina loatra satria mety ho fidodododoan’ny mpitondra fanjakana (fangatahana vola amin’ny fotoam-pifidianana, na findramana olona hanao hery famoretana, fitaovam-piadiana, sy ny sisa), na mety ho isan’ny mpikambana mavitrika ao koa ny mpitondra fanjakana. Afa-po erý ny mpitarika sekta manana izany fahefana lehibe izany.
 
Araka izany, ny atao hoe tombontsoa tadiavina, dia tsy vola aman-karena ihany. Tombontsoa koa ny fahefana, ny fahafahana manapaka amin’ny sehatra rehetra, hatramin’ny fiainan’ny hafa, ny fahafahana « manindry » hoy ny fitenin-jatovo. Ambony ampanga ary tena zava-dehibe koa ny laza amam-boninahitra aterak’izany.
 
in SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO
Berthile RAVELONANAHARY
SETELA Andiany SAHY 2008

20:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: sekta, tanjona, berthile ravelonanahary, setela | Comments (0) |  Facebook | | | |