Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 24 April 2017

RAFOTSIBE SY NY LAONA

Sain'olombelona tsy ilàna diplaoma dia ampy hanavahana ny mety sy ny tsy mety, ny tokony sy tsy tokony.

Ireto "mpitondra" ve dia tsy mahalala ilay hoe aleo misoroka toy izay mitsabo. Sa efa nataony teny faneva ny hoe rafotsibe very laona ka miandry izay higadonany!

Tsy mbola very akory anefa ny laona dia efa "niandry" izy. Izany hoe rafotsibe miandry laona ho very, ka rehefa very indray ny laona dia miandry izay higadonany.

Tsy dia fantatro ny nahatonga ilay oha-pitenenana, fa dia izay no sary asehon'ireto atao hoe mpitondra. Mipetraka tsara amin'ny seza, kopahan-dalitra, fahanana, dia mandatsa isaka izay misy loza miseho.

May ny tranom-bahoaka. Ka ianareo manao fanorenana kitoatoa.

Tondraka ny tanànam-bahoaka. Ka ianareo voretra manentsina tatatra.

Ritra ny ranom-bahoaka. Ka ianareo manao tavy sy mandripaka ala.

Raikitra ny fitsaram-bahoaka. Ka ny toe-tsainareo mihitsy no mila amboarina.

Sy ny sisa.

Dia misonanina eo amin'ny seza ihany. "Manoloana fitaratra" tokoa saingy tsy handini-tena loatra fa mieritreritra ny lamaody hovidina manaraka.

Rehefa vita ny latsa, dia miroso amin'ny sarintsarim-bahaolana vonjy tavan'andro.

Tampintampenana ny lavaka eny an-dalana. Mandra-paha aloha.

Mahazo mivarotra daholo fa fety ny andro. Ho hita eo ny tohiny.

Saziana herinandro vitsivitsy ny fiara sy koperativa mpitatitra nahafaty olona maro. Efa nandray andraikitra aho izay.

Hoterena hilatsaka ny orana. Toa tsy mety? Tsy hadisoako izay fa tsy vonona ny rahona.

Aleo aloha hovahàna kely i Tsiazompaniry. Ho hita eo indray rehefa misy olana koa Tsiazompaniry. Sa moa misy loharano tsy manam-paharitana any?

Etsetra etsetra.

Ary efa mba nohidiana moa ilay novohaina?

Inona indray izao no zava-tsarobidy hodoroina dia hiala tsiny hoe tsy ampy rano ny vondron'ny mpamono afo?

Moa va tsy ilay renim-pianakaviana mimenomenona isaka ny mahita olona. Maditra hoe ireto zanany. Angamba hono hanatsatoka antsy azy mihitsy indray andro any ...

Fa iza no nitaiza azy, maninona no tsy ahitsy isan'andro isan'andro fa miandry tsatoka antsy eo?

Toy izany ilay mpitondra fanjakana. Tsy afaka "miresaka" tsy tapaka amin'ireto olona "entina" mihitsy ve e.

Izaho aloha tsy mpampianatra. Izany koa no anajako ilay fitenenana hoe ny zavatra tsy hay, tsy ibitabitahana. Ary raha te hibitabitaka dia mianara!

 

 

13:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tandrametaka | Comments (0) |  Facebook | | | |