Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 25 May 2018

I ZEFA SY I MARIETY

Asa na ilay toetr’andro matromatroka no nahatsiarovako tampoka an’i Zefa. Tantara efa ela izy ity. Ary raha sendra misy mitovitovy aminy, dia kisendrasendra fotsiny ihany.
 
I Zefa dia lehilahy lehibe ranjanana. Mpiasam-panjakana izy, itony atao hoe fonksionera, mpanamory no asany. Tsy hoe fiaramanidina, fa mpamily izany e. Mpamily Land-Rover entina manao fitetezam-paritany. Chauffeur-mécanicien. Nalaza be ho nanana zanaka am-pielezana maro i Zefa, moa va tsy fiangonana. Synodam-paritany ireny fa ny reni-fiangonana dia tao Andraisoro tao ihany, mitondra ny anarana hoe Mariety.
 
Mpahandro mahay i Mariety, ary nandritra ny taona maro dia izay no asa fivelomany : manatitra lasopy sy composé sy nems sy samoussa amin’ireo toeram-piasam-panjakana teny Ampandrianomby sy ny manodidina. Rehefa mangatsiaka toy izao, dia ny mangahazo sy katsaka no tena mandeha. «Au coco» daholo izay mihetsika rehetra. Naresaka dia naresaka i Mariety, diso sariaka loatra ka misangy azy daholo izay te hanitatra ny trosan-tsakitsaky rehetra. Manao blozy manga tanora sy saron-doha mitovy loko amin’izay izy rehefa « miasa », ary zary nanana birao tao amin’ilay efitra kely filan-kevitra atao hoe Réception. Izay mpila raharaha tsy mahita ny fahatongavany miaraka amin’ny sobika mifono bodofotsy dia nihevitra daholo fa mpiasa eo amin’ny « accueil » i Mariety.
 
Tsy mifametra tokoa ny aina ka maty tampoka i Zefa. Am-perin’asa, izany hoe tsy mbola nisotro ronono.
 
Ary dia moramora tokoa no nahatonga an’i Mariety, vady navelany, ho fonkisonera, nisolo azy, hono ! Tsy fantatro hoe voasoratra any anaty lalàna ve izany ? Sôfera ange itompokolahy Zefa. Dia sady nandray sôfera vaovao nisolo azy izany ny fanjakana, no nandray olona vaovao atao hoe Mariety, izay tsy sôfera velively. Nangorakoraka fatratra ireto mpiara-miasa, nanao tsipaipaika hanampiana ny fampianarana an’ireto zaza navelan’i Zefa izay tena mbola madinika. Asa, mandra-pahoviana satria folo volana taorian’ny nahafatesany dia tera-dahy indray i Mariety …
 
Tsy mialona velively an-dry Zefa mivady aho. Tsy maniry mihitsy sanatria ny nomba azy rehetra. Fa zendana fotsiny.
 
Hatao inona ny sekoly raha fiaraha-miory dia ampy handinganana sivana sy fifaninanana ? Hatao inona lalàna raha hovitavitaina amin’ny fifampiresahana daholo ny ota iniana atao rehetra ? Sady manitsaka no manao azafady.
 
Azafady kosa e.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: succession par défaut | Comments (0) |  Facebook | | | |