Wednesday, 10 August 2016
30 SEPTEMBRE 1895
Raha tsiahivina fohy ny tantara , ny 30 Septambra 1895 no nisy ny tifi-tafondro nataon’ny tafika frantsay niainga teny Andrainarivo namely ny Rovan’Antananarivo. Tsy nahasehaka io tifi-tafondro io ny tao an-dRova ka nampanangana saina fotsy ho mariky ny faharesena.
Ny 01 Oktobra 1895 dia nosoniavina ny fifanarahana fa i Madagasikara dia lasa « Protectorat français » izay midika hoe :
-miala ny Praiminisitra Rainilaiarivony nosoloina an’i Rainitsimbazafy,
-ny Mpanjakavavy Ranavalona III mijanona ho mpandova fiandrianana sisa fa tsy manana fahefana intsony.
Ny résident Général Duchesne no tompon’ny fanapahana teto amintsika tamin’izany. Ny 22 Novambra 1895 dia mbola afaka nanao fandroana ny Mpanjakavavy Ranavalona III.
Tamin’io andro io no nihetsika ny Menalamba tany amin’ny faritr’Imamo, izay notarihan’i Rainisongomby sy Ilaitaingena, nitaky ny fandroahana ny vazaha, nandoro trano fiangonana sy namono mpitondra fivavahana vahiny satria nahatsapa ny Menalamba fa fitaovana nakan’ny vazaha ny tany ny fivavahana. Ary ny votoatin’ny ady nataon’ny Menalamba dia ny hiverenan’ny Mpanjakavavy amin’ny fahefana nananany teo aloha. Natanjaka sy nanahirana ny frantsay ny Menalamba ka dia nanapa-kevitra ny fitondrana frantsay fa aleo foanana ny « Protectorat français » fa dia atao zanatany tsotra izao i Madagasikara.
Ny 06 Aogositra 1896 no nivoahan’ny lalàna nametra ny naha-zanatany frantsay an’i Madagasikara. Ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe : "loi d'annexion" nolanian’ny Antenimieran-doholona tany Brest ary nosoniavin’ny filoha frantsay Felix Faure. Ny dikan’izany dia :
-miala ny Praiminisitra Rainitsimbazafy
-mody any Frantsa ny Résident Général dia i Bernard Larouche izay nisolo ny jeneraly Duchesne
-ny Mpanjakavavy Ranavalona III dia vao mainka tsy nisy lanjany saingy mbola afaka nijanona teo an-dRova
-ny jeneraly Galliéni no nitondra an’i Madagasikara, governora jeneraly no anarana entiny.
Ny faramparan’ny volana Septambra 1896 no tonga teto Madagasikara ny jeneraly Gallieni. Ny habibiana nataony voalohany dia ny famonoana ny Printsy Ratsimamanga anadahin-drenin’ny Mpanjakavavy Ranavalona III sy Rainandriamampandry ilay mpitari-tafika nanahirana ny frantsay, ary Ramasindrazana rahavavin-drenin’ny Mpanjakavavy Ranavalona III nalefa sesitany.
Ny fepetra voalohany ihany koa noraisin’ny jeneraly Galliéni dia ny fandraisana an-tanana ny fifehezana ny tafika sy ny fananantany ary ny fanovàna ho amin’ny teny frantsay ny fampianarana.
Resy ny Menalamba tamin’ny taona 1897, nanomboka teo ny fanjakazakan’ny frantsay tamin’ny fampiasana ny Malagasy tamin’ny fomba maro isan-karazany, asa fanompoana sns.
Ny miaramila malagasy dia nanampy ny Frantsay tamin’ny ady lehibe roa dia ny 1914-1918 sy ny 1939-1945.
Nony vita ny ady lehibe faharoa ny 08 Mai 1945 dia nahatsiaro tena ireo teratany malagasy nonina tany Frantsa fa tonga ny fotoana tokony hitakiana ny fiverenan’ny fahaleovantena tsy amin’ny lalan’ny herisetra fa atao amim-pilaminana sy amin’ny alalan’ny fifampiresahana.
Ny 22 Febroary 1946 dia tafantsangana ara-dalàna tany Frantsa ny MDRM (Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malagache » antoko nijoro hitaky ny fahaleovantena amin’ny fomba milamina tsy misy herisetra.
Ireo tanora malagasy nianatra sy niasa tany frantsa no nanangana ny MDRM izay nahatsapa fa tsy mety raha hiady ho an’ny tombontsoan’ny Frantsay hatrany ny Malagasy kanefa tsy hieritreritra ny an’ny tanindrazany manokana. Efa nijoro rahateo ny firenena mikambana taorian’ny nahavitan’ny ady lehibe faharoa ka nahazo aina ireo tia tanindrazana malagasy ireo. Natanjaka ny antoko MDRM satria raha natao ny fifidianana teo amin’ny Antenimiera frantsay dia nahatafiditra solombavambahoaka ny MDRM dia ny Dr Raseta , Dr Ravoahangy Andrianavalona ary Rabemananjara Jacques.
Natahotra ny herin’ny MDRM ny frantsay ka ny 06 Aogositra 1946 nahafeno 50 taona katroka ny naha-zanatany an’i Madagasikara dia natsangan’ny frantsay ny Padesm (Parti des Deshérités de Madagascar » antoko natao hifampitana amin’ny MDRM sady mbola fampiharana ilay fomba fiadin’ny frantsay dia ny « zarazarao hanjakana ».
Nanomboka teo ny fifanandrinana teo amin’ny MDRM sy Padesm.
Ny 25 Martsa 1947 dia napoakan’ny Frantsay ny korontana tany Moramanga nanasoketana ny MDRM satria tsapan’ny frantsay fa tsy hay tohaina ny fahavononan’ny MDRM hitaky ny fahaleovantena amin’ny fomba milamina tsy misy herisetra.
Dia niaraha-nahalala ny vokatr'iny korontana iny, Malagasy sivy alina mahery no novonoin’ny Frantsay ary nogadraina avokoa ireo mpitarika , nalefa sesitany tany frantsa ireo mpanorina ny MDRM.
Efa niverina ny fahaleovantena tamin’ny 1960 vao afaka nody an-tanindrazana ireo mpitarika MDRM ny 30 Jolay 1960.
(...)
Narindra avy amin'ny lahatsoratr'i Solo Razafy, 10 août 2016, in mydago.com
23:55 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: solo razafy | Comments (0) | Facebook | | |