Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 13 December 2017

VELOMA RY NAMAKO

Sombin-tonombavaka

Vovo-tany indroan'ny tanana

Tsy voninkazo, tsy mpitari-pivavahana.

Lasa ianao ry namako

Hisotro irery farany

Eo amin'ny lambanana ben'ny Mandrakizay.

 

Samy irery isika

Nefa zatra niara-niaina

An'ity sarintsarim-piainana.

Ireo mpitandro filaminana,

Ny efitra makarakara vy

Ny divay, ny vehivavy,

Vita teo daholo izany

Veloma.

 

Ho any amin'ireo toeram-pisotroana

Falehantsika isan-kariva aho

Hilaza hoe

Tsy ho avy intsony ianao.

Hisotro amin'ny veranao aho

Ianao kosa, avy eny amin'ny helonao

Angamba hahita ahy latsa-dranomaso.

 

Hany sisa tavela ety

Dia tontolo

Feno zazavavy tsara tokoa

Saingy tsy misy na dia aloka fisakaizana

Ny hehintsika, ny adiady,

Ny fahoriana fara tampony, ny laza amam-boninahitra

Tapitra teo daholo,

Veloma.

 

Hisotro ho antsika aho

Ho fahatsiarovana ireo zazavavy,

Hisotro ho an'olon-droa aho

Toy ny taloha fony samy teto isika,

Veloma.

 

Ilay fisakaizantsika

Misaringo-borodamba sisa hany havako

Noho ianao no naha-afaka ahy,

Mitady anao ilay alikanao

Miaraka amin'ny fony tapi-dalana

Mazava ho azy fa tsy hariako izy.

Haloako ireo trosanao

Dia hovakiako ny vavan'ireo

Izay namaky loha loatra anao.

 

Isika mamo tampina sy ireo angano hitantsika

Ny tokelaka sy ireo ady antsanga

Veloma hatreo.

Salut Charlie.

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: salut charlie, johnny hallyday | Comments (0) |  Facebook | | | |