Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 07 August 2012

TENY FANOLORANA

JACARANDA


 

Sambatra koa raha sambatra ireo mpampianatra sy mpanabe satria miparasaka ho felana ny rano nantsakaina. Tanteraka sahady ny « Toky » nomen’ity zazavavy vao iray ranonorana, ho an’ireo tsy nitandro hasasarana nikolokolo azy :

 

« Tsy ho very foana tsy akory ny dinitrareo mba ho ahy

Ka aza manahy,

Fa na ho mora ny lalana mbola hombana na mety hikitoana :

Hatrehiko foana;

Hampody ho vainga ny rano nalaina tsy nety nandreraka

Hoentiko miezaka»

 

Misolo vava an’ireo mpampianany rehetra aho misaotra azy ary fo mientan-kafaliana no entiko manolotra an’ity amboaran-tononkalo voalohany izay izaràn’i Rondro amintsika ny tontolony ity. Dia tontolo iray hahatsinjovana ny fahitany ny fiainana. Ny fahaizany maminany ny fahorian’ny hafa, taroany hatrany amin’ny fara vololon’ny ainy any ka iombonany tanteraka.

 

“Fantatro amin’ny endriny

Fa miady saina izy,

Saingy mody mirana tsy ravo ilay tarehiny !

Ilay hira mba fitendriny

Fampatoriany ankizy :

Milaza tsotra izao ny ratram-po kotrehiny…”

 

Ary ny hivimbina fifaliana sy fanantenana ho an’ireo vesaram-pahoriana indrindra no iezahany.

 

“Raha nanoratra aho …..

 Natao hanampy anao mba hanan-tanja-tsaina

 Ho sahy hijoro hatrany

 Hitory sy hidradra fa tsara re ny miaina”.

 

Satria izy mpanoratra, na inona na inona fahoriana mahazo azy, dia ny tsiky sy ny hira no nataony setriny.

 

"Fa ny fiainako,

 Na maloka aza nitsikiako,

 ……………………..

Dia ny hira sy ny hakantony no elatro mba nanidinana

Nandreseko ireo taraina”.

 

Izany herin-tsaina sy fanantenana miboiboika ao anatiny iany, loharano tsy manam-paharitana iray no nanovozany azy dia ny Fitiavan’Andriamanitra, Andriamanitra izay anankinany tanteraka ny fony sy ny fiainany.

 

“Ianao Ray Tsitoha no hany fialofako,

 Andry ianteheran’izao diako izao…”

 

Ary Andriamanitra no ivavahany mba hanampy mandrakariva ireo “mahantra” izay mizaka ny vokatry ny mizana tsindriana ila eo amin’ny fiarahamonina.

 

“Koa ampio ireo saranga voahosy,

 Niletsy sy mihamikorosy,

 Taingenana vozona hatrany,

 Avahan’ny mponin’ny tany ».

 

Tsapa amin’ireo andalana ireo ny fikomiany amin’ny rafitry ny fiarahamonina novolen’ny olombelona, rindrina mitarika ny tsy fitovian-tsaranga. Ka misy tonokalom-pitolomana koa ato amin’ity amboara ity, tononkalo tsy mitratrevatreva akory fa tononkalo mifono hery misoko any am-po ka tsy azon’ny saina lavina.

 

«Azo odian-tsy hita ny hasina sy zo

 Rehefa maty ny eritreritra (…)

 Ampiasao daholo ny fomba mety hiadiana,

 Ny zavatra maranitra,

 Fa zavatra iray no tsara hotadidiana :

 Hadinina any an-danitra !”

 

Tsy eken’ny sain’ny mpanoratra mihitsy ny tsy rariny eo amin’ny fiarahamonina satria haratsian-tarehy mifanohitra amin’ny kanto sy ny tsara anorenany ny tontolony. Ny kanto sy ny tsara izay tsy foromporonin’ny eritreritra fotsiny akory, fa hitany mibaribary amin’ny zava-boary manodidina azy. Tsy hoe zava-boary miombona alahelo amin’ny olombelona fotsiny na mamohafoha fahatsiarovana sy fihetseham-po, fa zava-boary manana ny maha-izy azy, manana ny fisainany sy ny fihetseham-pony ary ny tanjona ijoroany eo amin’ny fiainana. Toa miara-milanto sy mirindra ary miara-mientana hikatsaka ny soa sy ny tsara ary hampamerovero fahasambarana amin’ny manodidina na inona na inona mafy iaretana, satria samy mahatsapa fa nomena andraikitra hitondra fifaliana ho an’ny hafa, ho onitry ny alahelo manavesatra ny fony.

 

“Hoy ny rian-drano :

-Izaho tsy velon-drery

Fa ny asa iadidiako,

Ho an’ny miaina irery (…)

Hoy ny voninkazo :

-Izaho tsy velon-drery

Fa ny hanitra omeko :

Ho tokin’ireo very (…)

Hoy ny voronkely :

-Izaho tsy velon-drery

Fa ny hira filalaoko,

Ho an’ny lavi-dreny (…)”

 

Ary izany fitiavan’ny mpanoratra ny kanto sy ny tsara izany no nahatonga azy hanonofy fiarahamonina anjakan’ny tsara fanaperana, ny tonga lafatra… Nofy angamba hoy isika, kanefa tsy nofy izany aminy satria izany mihitsy ny tontolony, dia tontolo feno filantoana sy firindrana, anjakan’ny fahamarinana ahatsinjovana eny amin’ny lanitra manga midadasika tsy hita far any Mandrakizay.

 

“Andeha isika hanorina Vohitra iray

Tsy iorenan’ny fitaka sy ny soloky,

Hataontsika sarin’ny Mandrakizay,

Ny Marina ihany no hoenti-mivoky”.

 

Ary izany Nofy izany tiany ho tanteraka eto an-tany, satria rah any marina no jerena, amin’ny saina tsy miangatra, dia tsy manonofy izy akory fa mampahatsiahy antsika fotsiny ny efa fisian’ireo lalàna fototra izay inian’ny olombelona hosihosena :

 

“… Resintsika, hono, ny eritreritra hamono

Hanamparana ny hery

Sy ny tanjaka ara-bola

Amin’ny firenena kely …”

 

Koa tena tsaroana mamerovero ao amin’ireto tononkalo ireto tokoa ny kanto sy ny tsara. Tsapa izany amin’ny rafitry ny andalana toa manapariaka onjam-peo milanto sy mirindra. Mampiretsidretsika fanahy koa ny hasin’ny Teny Malagasy maminy sy voafehiny, izay lasa hira, dia hira malefa-pigadona, malako fanonja :

 

“Mifarimbona mihira ny teny rehetra,

Mirindra, milahatra, marim-pitoetra,

Fa rano maherin’ny vetsom-panahy

Mandroboka mora ny nofo aman-dra”.

 

Koa ho fisaorana sy firarian-tsoa ho an’i Rondro ary ho setrin’ny « Fehezam-boninkazo » natolony ho ahy, dia inty misy tononkalo iray vetsovetsoiko ho azy.

 

Izahay mpampianatra Teny Malagasy, dia mitsodrano anao, mahaleova, mahalasàna ary mba itondray sombin-danitra manga feno kintana mipariaka izahay, fonosy rahona fotsy manjopiaka, rehefa « mamangivangy lanitra » ianao.

 

Antananarivo, 05 jolay 1983

 

Reine Yvette DAVID-ANDRIAMIHARISOA

alias ZAKARANDAHY

 

Mpanoratra sady Mpampianatra Teny Malagasy

 

 

 

En ligne le 02/04/2010