Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 09 December 2017

IZAHO TIA ANANA

Inty ny ron'anana ry zareo. Rony fa tsy roniny !
 
Rehefa mba manao zavatra dia ataovy amin'ny fo sy fitiavana. Traikefan'olombelona no itenenako an'izany fa tsy misy ifandraisany amin'ny tenin'ny Soratra Masina.
 
Sakafo no horesahana. Mahafantatra olona aho, mitambatra ao aminy ny tsy fitiavana an'ireto manaraka ireto : anana, voanemba, voatavo sy ny tariny, korizety, saosety, baranjely, angivy. Angamba vokatry ny fahavoazana ara-tsaina teo amin'ny fahatsiarovana ratsy tamin'ireo sakafo ireo : fahasahiranana ara-toekarena ka ireo no mora vidy sy niverimberina matetika. Mbola zara fa masaka ihany koa fa nadoboka rano tao dia izay nifanarahany tamin'ny afo. Vokatry ny hakamoana sy hamehana fa hoe "tsy manam-potoana". Sady tsy endrika mampilendalenda ilay izy no tsy tsiro maha-te ho tia. Dia lovaina, sy ampandovaina ny zanaka amam-para ilay tsy fitiavana azy, ary indraindray, raisina ho voninahitra lehibe.
 
Izao àry ny anana atao ro. Ho an'olona 4 mihinana vary.
-petsay kely, fototra 3
-anantsonga gasy toko 3
-anamalaho voatango eran'ny tanana
-anandrano voatango, izay voafehin'ny tanana
-afaka manampy an'ireo ny ravim-bomanga sy ny ravim-boatavo. Ny ramirebaka kosa angamba mba mihataka kely
-sakamalaho voakiky na voatetika eran'ny sotro
-voatabia iray
-tongolo oignon lehibe iray
-tongolo gasy hasiny 4
-sakay tsilanindimilahy iray tsy vaky ary tandremana tsy ho vaky
-angivy lavalava 6
-hena omby fanangany na tehezany 250g
-menaka 2 sotro
 
Tetehina toy ny antsasaka ankihibe ny hena.
Tetehina madinika ny tongolo sy voatabia.
Atao anaty vilany ireo miaraka amin'ny sakamalaho. Ritina amin'ny ranon-tsasany (izay rano mijanona rehefa avy nosasana ny hena). Asiana sira kely.
 
Rehefa ridritra dia avela ho mendimendy kely vao araraka ny menaka. Haroina tsara. Arotsaka ireo anana rehetra efa voatetika "grossièrement". (tsy dia maha-te hihinana loatra ny anana voatetika milamina madinika ara-jeometria toy ny norefesina tamin'ny règle!). Matsirotsiro kokoa aza raha toa ka novolovolosana tamin'ny tanana ireo anana fa tsy nampandalovana antsy. Haroina tsara dia avela hiketrika.
 
Rehefa mitady ho ritra dia apetraka eo ambony ireo angivy. Tsy hoharoina intsony tsinona ireo ao am-bilany. Dia tampohana rano tsikelikely mandra-pahazo ny fatra ilaina. Ny rano midoboka be am-boalohany amin'ny sakafo no mampatsabotsaboka ny tsirony, na inona io na inona. Apetraka moramora ilay sakay, izay manome hanitra sy tsiro hafa ihany koa. Tandremana tsy ho vaky ary esorina rehefa haroso ny ro. Ahitsy ny sira.
 
Raha afaka mihinana patsa daholo, dia asiana vovo-patsa mena efa natonotono mialoha, eran'ny sotrokely.
 
Tsarovy fa miako any amin'ny tsiron-tsakafo ny toe-pon'ny mpikarakara teo am-pahandroana.
 
(Io ihany no principe-n'ny romazava fa maromaro karazana kokoa ny anana, ny hena koa toraka izany, maro karazana no atao indray miaraka : omby, kisoa, akoho, hazandrano tsy misy taolana toy ny crevettes ...)

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ron'anana, romazava | Comments (0) |  Facebook | | | |