Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 15 September 2016

IMAVO

Araka ny resak'Ilaidama andavanandro, dia nokasainy handimby azy Rakotobe, zanaky Rabodosahondra anabaviny sy ny Prince Ratefinanahary, zanak'andrianan'Imamo, ambasadaoro malagasy voalohany tany Europe. Saika hampivadiany tamin-dRaketaka Razanakinimanjaka, zanany tamin-dRasalimo io Rakotobe io.

Nahafantatra izany Ramanantsimijay sy Ratsiaribika lehiben'ny Tsimandoa izay nitsabo an-dRadama I, nefa noho ny fitavozavozana, nilaozana nanafina ny fahafatesan'ny Mpanjaka, tamin'ny 29 juillet 1828, nolazaina fa mbola mafanafana, dia tsy voateny tamin'ny Ambanilanitra ny fikasan-dRadama ny amin'ny tiany handimby azy.

Vao ren'Imavo fa maty Radama I, dia nibosesika niditra tao Anatirova izy sy ny miaramila, niaraka tamin'Andriamihaja, Général mpiombon-tetika taminy, izay heverina ho rain-dRadama II.

Nandray Fanjakana Imavo, izay niova anarana ho Ranavalomanjaka (Ranavalona I). Nolazainy fa hafatr'Andrianampoinimerina izany.

Navoakany teo andrefan'Ibesakana Ramanantsimijay sy Ratsiaribika ka nolefonina teo.

Nofohazina tamin'ny torimasony Rakotobe, zaza 13 taona ny misasakalin'ny 1 août 1828, ary nalentika an-kona tao Imarohoho, Tsimbazaza, atsinanan'Ambohipotsy, ny marainan'ny sabotsy 2 août 1828. Naringana avokoa ny havan-dRadama I sy ny olon-tiany rehetra.

Ny Prince Ratefinanahary rain-d #Rakotobe, Governora tao Imananjary tamin'ny 1824 ary nafindra tao Itoamasina tamin'ny 1825, dia nolefonina tao akaikin'Ambatomanga.

Ny Princesse Rabodosahondra renin-dRakotobe, anabavin-dRadama I, dia nohidiana aman-trano tsy nomen-kanina tao Ambohiboahazo, ka maty noana tao. Natao toy izany koa Ratafika, rahalahin-dRadama, Governora tany Imananjary tamin'ny 1825.

Rambolamasoandro, renin-dRadama, nalefa tany amin'ny tany be tazo, nomena sombin-kanina kely sady nampihorohoroina isan'andro hoe "injao fa tonga ny mpamono".

Nasaina novonoina tamin'ny zava-maranitra kosa Ramananolona, zanak'olo-mirahavavy amin-dRadama, Governora tany Fort-Dauphin tamin'ny 1825, sy Rafaralahy Andriantiana zaodahiny, Governora tany Imahavelona tamin'ny 1825. Ralala, lehiben'ny Andriambaventy dia nasaina notsenaina tany avaratr'Ikaloy ka novonoina ary navarina an-kady ny fatiny.

Ramanetaka irery, zanak'olo-mirahavavy amin-dRadama, Governora tany Mojanga tamin'ny 1824, no afa-nandositra tany Comores ka tonga Mpanjaka tany tato aoriana.

Mampamono olona maro dia maro ny fitiavam-pahefana. Ary betsaka ny fahafatesana nampiahiahy tany an-drova rehetra tany.

Fa voamarika ihany koa fa efa fomban-tany (angamba) ny népotisme. Satria dia saika Governora avokoa ireto fianakavian'ny nanjaka ...

 

17:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ranavalona i, népotisme, rakotobe, imavo | Comments (0) |  Facebook | | | |