Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 23 April 2013

LA VILLE DE MES REVES

(Traduction libre de Rondro H RAKOTOBE)

Rado RAKOTOMALALA-RAKOTOBE

NY TANANA MBA NOFISIKO

(Mars 2013 - Forum National Urbain)

Te hitomany aho mieritreritra ny tanànako, raha mahita ny tanàn-dehibe hitako rehefa mandeha miala sasatra, na amin'ny tantara an-tsarimihetsika sy horonan-tsary  fanadihadiana jereko. Te hitomany aho mieritreritra ny tanànako, dia Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, izay heveriko ho taratry ny tanàna hafa rehetra eto an-tanindrazana. Resy lahatra aho fa ny zavatra tsara rehetra dia niainga tamin'ny nofinofy avokoa, ka dia maminavina Antananarivo hafa aho, ny mba  aniriako azy, inona no asa tokony hatao, iza no hanao azy. Mialoha an'izany, andeha hojerena fohifohy hoe inona avy moa no zava-misy iainana andavanandro.


Amin'ny fijery tsy miangatra, dia tena ao anatin'ny korontana tanteraka ny tanànako. Marina fa misy zava-bita, ny trano vaovao, ny toerana mahasarika samihafa izay toa endri-pandrosoana, anadinoana vetivety fa atsy am-badika, etsy anila, na aiza na aiza, dia gaboraraka tanteraka.

Mila hanempotra ny habetsaky ny mponina tafahoatra. Tsy mitsahatra mitombo ny isan'ny olona. Hatrizay hatrizay dia efa nahasarika foana ny tanàn-dehibe. Heverin'ny fiarahamonina ho mari-pahombiazana ny fonenana an-tanàn-dehibe. Ny tanora dia maniry hanohy sy hamarana ny fianarany an-tanàn-dehibe satria heverina ho manan-danja sy manan-daza ary manan-kaja kokoa ny sekoly any. Nofinofin'ny tovovavy ny hanambady olona avy any an-drenivohitra. Hoy ny ohabolana hoe "hanambady an'Iarivo ve ka hierana na tain-tsoavaly aza fahatelon-tanana". Ny mpikarama dia mihevitra fa raha any an-tanàn-dehibe no miasa dia mari-pisondrotana izay. Azo ambara fa misy antony ara-piarahamonina ny fitiavana hiaina an-tanàn-dehibe.

Etsy an-daniny, ny fifindra-monin'ny avy any ambanivohitra miakatra an-tanàn-dehibe. Tsy zava-baovao io. Tsy manamora ny fiainana ambanivohitra sy ivelan'ny tanàn-dehibe ny tsy fandriampahalemana. Izay nahita tanàn-dehibe noho ny antony samihafa dia te hifikitra eo. Mahita tsirony daholo na ny sendra nibata entana indray mandeha, na ny ankizivavy niasa an-trano, na ny ray aman-dreny nanatitra ny zanany hanohy fianarana ... Dia mitady ny fomba rehetra hijanonana an-drenivohitra, ka mitombo ihany ny mponina.

Eo ireo tena mponina. Fa eo koa ireo olona mivezivezy noho ny raharaha isan-karazany, ara-barotra, ara-pianakaviana, famonjena birao. Ny ankamaroan'ny birao rahateo dia an-tanàn-dehibe, mandeha kokoa ny tsena an-tanàn-dehibe, ka dia tena mifanitsa-kitro tokoa ny olona amin'ny fotoam-piasana.

Rehefa miresaka mponina, dia manaraka koa ny trano fonenana, sy ny olana rehetra noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa. Mitombo ny olona mifamezivezy, ny tanàna anefa tsy mitatra mivelatra, fa mitatra ao anatiny ihany. Avadika ho efitrano ny lavarangana, ny tokotany kely, sitrany ahay hahofa na hampiantranoana vahiny, na honenan'ny zanaka vao avy nanambady. Vokatr'ilay fomba malagasy tsimisaramianakavy ihany koa izay, fa omby ve ka hifanoto. Tsy resahana intsony ny kitranotrano kely tsizarizary vita amin'ny baoritra sy ny sisa  etsy sy eroa. Mazava ho azy fa tsy manara-penitra ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana izany rehetra izany, tsy araky ny Fiadidiana ny tanàna izay rehetra miseho any anelakela-trano rehetra any. Tsy tongan'ny rano fisotro madio isan-trano, lavitra ihany vao misy toeram-pantsakana. Mitombo miaraka amin'ny mponina ny fako. Tsy mampiasa loatra lava-piringa sy fanariam-pako ny ankamaroan'ny olona any an-tokantranony. Dia izay koa no ataony eny an-dalam-be. Taratr'izay atao any an-tokantrano ny miseho eny ankalamanjana rehefa izay no fahazarana. Lasa toeram-pamaharan'ny mpisava fako ny toerana fanariam-pako. Tsy maharaka ny lava-piringa natao ho an'ny besinimaro, ireo vitsivitsy mba misy anefa, dia efitra roa amin'ny enina ihany no misokatra, miavonavona ny mpiandraikitra, sady mbola aloa vola. Ny ankamaroan'ny Malagasy dia tsy te hiala vola na amin'ny inona na amin'ny inona. Ny mpanao politika sasantsasany koa, te ho be mpanara-dia, ka tsy mba mampandray andraikitra ny mponina fa mitaiza azy hieritreritra fa tokony ho maimaim-poana ny zava-drehetra.

Dia miroborobo ny fihariana tsy manara-drafitra. Ny tena miharihary dia ireo mpivarotra izay mameno ny antsasaky ny lalana. Manomboka amin'ny kojakoja 500 ar izany, mandalo amin'ny volamena sy vatosoa, hatramin'ny varotra fiarakodia. Zara aza misy hoe very asa noho ny olana politika, ka dia samy manao tsena sy varotra eny an-dalana daholo, tsy misy mihevitra handoa hetra. Zary fialam-boly mahazatra ny mijery ny fifanenjehan'ny polisin'ny tanàna sy ny mpivarotra. Tsy hita intsony ilay tena atao hoe "Tsena", ary dia sahirana tokoa mila ho voan'ny tamberin-tany raha mandeha eto an-tanàna. Mihodinkodina eran'ny tanàna raha hitady entana anankiray, mamakivaky olona marobe, fiarakodia marobe, mety haratra na ho voaendaka.

Mitohana izaitsizy ny fifamoivoizan'ny fiarakodia. Hita eran-tany koa izany. Fa ambonin'ny hamaroana dia tsy mahay lalàn'ny fifamoivoizana ny mpampiasa lalana. Samy mizotra amin'izay tiany, mijanona amin'izay tiany. Tsy misy mahatsapa ny halehiben'ny fatiantoka aterak'izany fitohanan'ny fifamoivoizana izany. Ny mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy koa moa mba manararaotra manao ny asany.

Ho lava ny fitanisana, ho famakafakana iray manontolo. Ary tsy hanam-pahataperana fa hihodinkodina eo ihany. Nefa moa ny olana iray dia tokony hahitana vaha-olana. Mba nanonofy aho hoe misy azo atao. Mandefa vinany aho, ary tsy very maina izany fa indray andro any dia tsy maintsy ho tanteraka. Nofiko, hono, fa nahita vaha-olana aho, mba tonga any am-poto-tsofin'izay tokony handre azy izany nofinofiko izany.


Raha fintinina dia korontana sy gaboraraka vokatry ny tsy fampiharana ny lalàna no misy. Efa eo ny Fiadidiana ny Tanàna ary tsy tokony handefitra mihitsy. Tsy ilàna mari-pahaizana ambony amin'ny lalam-piofanana Lalàna vao hahafantatra fa natao ho an'ny fiarakodia ny lalana. Ny Fiadidiana ny Tanàna dia tokony hiasa amin'ny maha-teknisiana azy, fa tsy amin'ny maha-mpanao politika azy. Ny mpanao politika manko dia alaim-panahy handambolambo vahoaka mba hitsinjovana ny fotoam-pifidianana. Tokony ho fantatra anefa fa ny ankamaroan'ireo mpanakorontana ny tanàna dia tsy mponina voasoratra anarana eo an-tanàna. Tsy tokony hatahotra rotaka noho ny fampiharana ny lalàna. Raha vita ny mampihatra izay voasoratra, izany hoe ara-dalàna sy ara-drariny, dia tsy tokony hatahotra rotaka. Ny fampiharana lalàna amin'ny ampahany aza no tena mandranitra ny olona hitroatra. Tokony hampiharina ny lalàna amin'ireo manorina trano, manova endrika trano ; amin'ny mpamily tsy manaja lalànan'ny fifamoivoizana ; amin'ny mpivarotra amoron-dalana sy anaty lalana fa tsy hoe efa nandoa haban-tsena ; amin'ny mpandeha mandoto lalam-bahoaka ; amin'ny mpatory an-dalam-be izay tsy ahafahana manasongadina ny mba fanatsarana ny tanàna. Fomba hafa no ampiharana ny Zon'olombelona, fa tsy hoe gaboraraka sy fanaovana izay tiana hatao.

Izay lafiny izay no tokony hiasan'ny Fiarahamonim-pirenena misimisy kokoa : manabe ny olom-pirenena. Tsy ampy ny fanaovana atrikasa sy adihevitra, fa tokony hisy asa azo tsapain-tanana miantefa amin'ny olona voakasika. Mila fanentanana ny mponina mba hanaja ny fananana iombonana. Nefa tsy hahatsapa an'izany ny mponina raha tsy mandray anjara amin'ny fandoavan-ketra, raha tsy mahalala ny dikan'ny hetra. Mba nofinofiko ny hoe samy manana karatra manamarina ny fidiram-bolany ny isam-batan'olona. Ohatra : ny zaza anankiray omen-drainy vola an-tratra kely, sy ny sisa. Io karatra io dia mba hanampy ny tsirairay ho faly amin'ny asa aman-draharahany sy hiezaka hanao tsaratsara kokoa.

Tena ilaina ihany koa ny fandraisana anjaran'ny sehatra tsy miankina. Eo Antaninarenina, ohatra, dia misy ny Association Meva izay mikarakara ny fanatsarana an'iny faritra iny.
Farany dia mba nofinofiko ny hanana tanàna feno zaridaina maitso mavana, mba hahafahako mipetrapetraka am-pilaminana, tsy matahotra ho voaolana na hisy haka an-keriny, tsy matahotra hanitsaka maloto na rehoka. Rehefa tsy hisy Disneyland ihany, dia mba nofinofiko ny hahita zaridaina lehibe vita malagasy, tsy voatery nalaina tahaka tamin'ny hafa. Mba nofinofiko izany alina tony, feno olona ny tanàna, mirehitra jiro, mivoha daholo ny magazay sy ny birao. Amin'izay dia mba samy afaka mandamina ny fotoanany ny olona mba hamitana izay tokony hatao. Mba hampihena ny fivangongoana koa izany.

Iza no hampirisika indray ny olona hiala ny tanàn-dehibe ka hampitia indray ny fiainana tony sy milamina eny ambanivohitra ?

Iza no hanome toky ny mponina fa hilamina tsara tsy hanahy fanafihana mitam-piadiana ? Iza no hanome antoka fa raha avela eny ivelan'ny tanàna ny fiara dia mbola ho hita eo tsy anombinana rehefa miverina ny hariva ? Ary hahita fiara fitateram-bahoaka amin'izay ora ilaina ve raha hamonjy raharaha atÿ an-tanàn-dehibe ?

Mampalahelo ny zava-misy. Raha tsy nahita ny tanàna tany an-kafa aho dia mety ho zatra teto ihany ka tsy nahatsapa akory ny tsy fetezana. Eo ny hamaroan'ny mponina be loatra izay mitarika fikorontanana amin'ny lafiny fifamoivoizana, tsena, fonenana, fotodrafitrasa, filaminana. Ny mponina koa anaty fahasahiranana, mora hetsehina hikomy raha vao misy fanovàna atao. Eo no tena sarotra, tokony hanamafisan'ny Fiaraha-monim-pirenena ny fanabeazana ny olom-pirenena. Ny Fiadidiana ny Tanàna kosa dia tokony ho hentitra amin'ny fampiharana ny lalàna. Hitondra ny anjara birikiny ny Sehatra tsy miankina amin'ny asa fanatsarana sy fikarakarana atao. Ary ny olom-pirenena tsirairay dia hifampitaiza mba hitandrina ny Fananana Iombonana. Tsy ampy ny fitanisana, fa mitaky asa.

Ny hany azoko natao, dia ny nizara ny nofinofiko mba ho an'ny mpanatanteraka sy mpiantsehatra rehetra./.

Hajo Andrianainarivelo, Rado Rakotomalala

 

http://www.forumnationalurbain.mg/index.php?p=gal_photo


http://www.forumnationalurbain.mg/index.php?p=smenu&i...

16:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: rado rakotomalala-rakotobe, hajo andrianainarivelo | Comments (0) |  Facebook | | | |