Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 25 March 2020

CORONAVAHINY

Ho lava izy ity, rahavako. Mba ho azonao tsara ny tohiny, dia tsy maintsy hitantarako ampahany kely ny fiainako. Kely fotsiny fa aza malaky mamoaka tsoa-kevitra.

Tsy vitan’ny hoe tambanivohitra aho, fa tantsaha ihany koa. Efa elabe tato aoriana vao nahafantatra fa ny tombam-bintako, hono, dia mifantoka amin’ny Tany, iray amin’ireo singa efatra nandrafetana an’izao rehetra izao. Marina. Ny Tany sy izay talenta sy fahasoavana rehetra mifamatotra aminy. Fa tsy izay no resaka. Tambanivohitra aho, ary ny androatokon’ny angovo ampiasaiko, dia izay voajanahary : ny afon’ny masoandro, ny rivotra ary ny rano : ireo singa telo hafa mandrafitra an’izao rehetra izao.

Fa na tambanivohitra sy tantsaha mitana angady sy mamolaka ny Tany aza aho, dia mankafy ny fotsy mangatsakatsaka : ny fitafiana, ny trano fonenana sy ny kojakoja rehetra miaraka aminy. Tsy tiako ilay hoe « tsy hitan-doto ». Ilaiko ho hita ny loto mba hanadiovako.

Tsoa-tokana bambairay ny efitrano, ankoatra ny fidiovana. Tsy dia misy varavarana firy hovohaina sy harindrina loatra. Tsy mampiasa lamba famaohana, tsy mampiasa taratasy famaohana ihany koa. Ny rano ihany no idiovana sy anadiovana. Noho izany, ny trano fivoahana dia tsy ahitana taratasy voatokana ho amin’izany. Malalaka kosa anefa, ary misy tranomboky kely, hisainana ara-bakiteny, fa tsy natao ho an’ny zavatra hafa ireo taratasy sy boky aman-gazety ao.

Indroa isan’andro no mandrehitra afo : sakafo maraina sy hariva, raha sendra mihinana zavatra nohandroina. Tsy manafana sakafo, tsy mampangatsiaka ihany koa. Matoa misy nampangatsiahana, dia ho fitahirizana azy izay. Ny mari-pana ateraky ny manodidina ihany (ambiante) no ampiasain’ny vatana, fa tsy tairina amin’ny mamanala be na ampijaliana amin’ny mangotraka be. Mitombina izany ho an’ny fidiovana. Rano matimaty tsy manaitra ny retsika no ampiasaina.

Ny fako dia voasokajy, izay mety lo dia anaovan-jezika, ny mety mirehitra dia doroana ao anaty fitaovana efa voatokana ho amin’izany. Izay loto ankoatra izany : ny vy sy ny fitaratra, no ariana any amin’ny fanariam-pako iombonana.

Tsy misy tabataba fa amin’ny antonony avokoa ny haavon’ny feo na hiresaka, na hihira, na hivavaka !! Santionam-piainana izany. Efa fahazarana nandritra ny taona maro dia maro, hatrizay naha-olona, saingy narindra kely nony nisy mpiara-monina vaovao.

Ny dikan’izany, dia tsy vonona mihitsy aho hanova ny fahazarako, raha ao an-tranoko, noho ny olona iray na maromaro tonga hanampy isa, nasaina na tonga tsy nantsoina, na nasesika noho ny antony samihafa.

Taona vitsy lasa izay, dia voatery nandray fanaka sy fitaovana maromaro avy amin’ny trano hafa niharam-pahavoazana aho. Raha hotantaraiko, dia nifindra monina ny anankiray noho ny fanafihana matetika nanjo ; ny faharoa kosa, dia lasa nifindra monina lavitra ny tao ka nahofa ny trano. Azo lazaina ho tranoko ihany ireo, ka dia nafatratra ao amiko ny entana. Misy korontana tsy voadio sy voalamina araka ny tokony ho izy, noho izany. Amin’ny efitra mitokana anefa ireo, andeha hatao hoe ao « Ambaravaranala », tsy tokony hisy hahita afa-tsy izaho irery ihany …

Noho ny fitombon’ny zavatra tsy maintsy hosahaniko, dia nigoragora ny fahadiovan’ny toerana sasany, ka raha androany ianao no tonga any, dia hanontany hoe « aiza ilay fotsy mangatsakatsaka ». Efa nanao ny asany ihany koa manko ilay setroka mandavan-taona eo amin’ny fanariam-pakon’ny Commune …

Dia fantatry ny Malagasy tamin’ny tapatapaky ny volana martsa 2020 àry ity coronavirus antsoina hoe Covid19. Raha mbola tany Chine ny fahavoazana, dia nieritreritra tsy ho tratry ny aloka. Fa nony nisahotaka ny reny malala, dia nikoropaka ny zanany. Dia tonga ny baikom-pianakaviana avy any dilambato, hametraka ny havany ao amiko. Efa valopolo taona mahery ilay olona, saingy mbola vory saina tsara raha kaontim-bola sy ny toetra rehetra maha-vehivavy : ilay mitsikilokilo, mifosafosa, mifaninaninana. Asa fa tsy tena vehivavy angamba aho ! Omby va re, hono, ka hifanoto ary aina ity hoy Rainimanonja. Tsy nisy alaharo fa inty tonga niaraka tamin’ny entany sy ny fanginany. Zara raha niteny, zara raha nitsiky. Angamba toa ahy koa, nasesika, ka moa va tsy vorondolo mamangy takatra, ka samy mimonjomonjo. Raha ny hevitro no nalaina, nialohan’ny nanapahana, dia ho hoy aho hoe : ny samy mitoetra any amin’izay misy azy no tena mety indrindra. Dia any no samy manao ny fiarovan-tena. Satria na ny sahotaka ao anaty noho ny fifindra-monina tsy niomanana aza, dia efa ampy hampalemy.

Dia niezaka ny tena, nandray tsara sy nitsiky, mba tsy hoe malain-kavana, na hoe dia tena tsy azo idirana an-trano. Tsy izay ve moa ilay hoe mihatsaraivelantsihy ? Fa dia tsy maintsy natao satria mba somary voataiza hahalala fomba ihany ny tena ! Ny fihatsarambelatsihy tompoko dia mari-panajana.

Fa ity vahiny dia tena tsy nisokatra mihitsy. Asa izy io na efa nanana olana tamin’ilay « havany » miara-monina amiko ao, na izaho mihitsy no efa tena olany. Izaho moa malaza ho sarotsarotiny, tsy laviko mihitsy izany. Ary dia niampy ny voambolana henoko, naverina tsy latsaky ny indimy, raha nifosa ny zafikeliny ity olona : « miseho milay ». Mino aho, tsy misalasala fa mba mahazo anjara amin’izany mpamari-toetra izany ihany koa. Ho fanamarihana kely fotsiny no ilazako fa tena halako raha vehivavy, indrindra fa vehivavy antitra be, no mampiasa voambolan’ny lalana toy izany. Sarotsarotiny aho. Ekeko mihitsy hoy aho.

Tena sahirana aho, noho ity asa fivelomana tsy maintsy hatao manontolo avy lavitra. Tena sahirana aho, mieritreritra ny fomba hamahanan-tena sy ireto olona manodidina manampy ahy. Tena sahirana aho manahy ny amin’ireo any an-tany lavitra tena anivon’ity areti-mifindra sy fahafatesana faobe. Tena sahirana aho misaina ny hoavy tena manjavozavo raha ho very asa amin’izao.

Dia inty koa ny olona anankiray, natoraka tsy an-kidinika teo amiko. Manampy ny fahasahiranako satria miala amin’ny fahasahiranana ny hafa. Ny hafa, izay fantatra ihany ny tsy fahazakana loloha na iray minitra aza !

Marina fa mahaleo tena ihany izy, marina fa manana ny ampy hisahanany ny fiainany izy, marina fa nitondra ny vatsy ampy azy mandritra ny fitokana-monina ao amiko izy, marina fa nandray anjara mihoatra ny mety amin’ny kojakoja fototra izy.

Dia mazava be fa tsy misy an’izay nahazatra azy tany amin’ny niaviany tany ao amiko, ary tsy vonona hamorona zavatra vaovao amiko noho izy aho ! Izy koa tsy miresaka mivantana amiko. Izaho indray tsy hisikotra olona tsy hiteny. Tsy ao an-tsaiko mihitsy ny haminany filàn’olona tsy ananako sy tsy mahazatra ahy. Tsy mampiasa papier toilettes ny trano ! Voafehy ny fotoana firehetan’ny jiro sy ny fandehanan’ny rano. Tsy misy ny rano mafana handroana. Izaho dia tsy olona tia resaka ka hanokam-potoana hitakoritsihana. Tsy handefa fahitalavitra tontolo andro mihitsy aho hijerena tantara maivana ahitan’ny mpiasa an-trano fahafinaretana.

Ny nahagaga ahy dia hoe manana ny sakafo amin’ny karazany sy fatra mety aminy tsy azony ihoarana izy, noho ny antony ara-pahasalamana. Tsy hoe ratsy velively na mora vidy, tena azy irery mihitsy, tsy zarainy, ary tsy mampilendalenda ahy ihany koa. Saingy toy ny meloka be aho mihinana ny haniko, mangala-pijery hatrany ny anaovavy, mitsatoka matetika ao an-damosiko toy ny sanatria mangala-pihinana aho na manafin-kanina. Rehefa anomezana amin’izay haniko izy, dia mandray sy mihinana tsy misy tahotry ny fihoaran-danja kely akory.

Tapitra anaovany fanamarihana izay rehetra tazany, izay rehetra ataoko. Izay tavoara sy tavoahangy rehetra misy zavatra ilaina amin’ny fanadiovana, dia voamariko fa tapitra nitodika taty anoloana avokoa ny soratra milaza ny anarany sy ny fampiasana azy. Izany hoe novakiana tsirairay ! Fa ny tena nahalotika ny foko, dia ity izy mijokojoko tsy nanaiky raha tsy nahita ny tao Ambaravaranala, nikarikary eran’ny trano, nanao inventaire an’izay misy rehetra. Voatety avokoa ary voatety haingana ny efitra sy kihon-trano rehetra.

Ny harivan’ny nahatongavany ihany dia efa nilaza ny tsy tamana Ramatoa. Mbola betsaka kokoa ny zanany sahaniny, velominy ary tiany lavitra sy tia azy lavitra noho izaho, any amin’izay nilaozany any. Tsy tontosa ny fikasany tamin’iny. Fa niandry ny alarobia tsy miverina izy, nandrifatra toy ny noenjehin’ny omby. Tsy nisy dinika toy ny nahatongavany ihany. Nanao fisaorana maimaika sady mizotra midina ny tohatra, tsy arakaraka ny fidraikodraikony andavanandro. Hay matanjaka sy mavitrika be ny olona rehefa feno zavatra miiba ny fony.

Tsy nisy fanazavana avy aminy. Ny azoko amehezana azy dia « tsy tamana ». Tsy mitana izay tsy tamana hoy ilay hiran-dry zavavy. Azoko an-tsaina tsy ilàna porofo ny resa-be mandeha sy alefa any rehetra any. Ratsy fanahy sy ratsy fandray aho. Manao toetra tsy zaka. Dia mba manao ahoana ny tranony ao ? Ny valiny : Ntss, tsy mankaiza akory nefa miseho milay.

Izay aho, tsy afaka hiova ary tsy vonona hiova.

Dia izaho koa mba hiteny hoe tsy mahagaga ity firenena ity raha izao no manjo azy, raha ny olona tokony hitaiza sy hanabe no tsy mahalala fomba toy ireny. Miditra sy mivoaka toy ny ho ao am-pisoko, mirintona toy ny nasesi-doza nandositra ny tranoko.

Fiteniko matetika ny hoe « raha fanandevozana : mbola olombelona ny andevo ; raha fanalikana : mbola zavaboarin’Andriamanitra ny alika ; fa ny fanaovana ahy ho tsinontsinona dia tena tsy ekeko ».

Dia hoy koa aho hoe « io olona rehetra miditra ao amin’ny fiainanao io, dia mijanona ao izy mandra-pahazony an’izay tiany ho fantatra mikasika anao ».

coronavirus, réquisition, confinement, lazaret de 5 jours,

14:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: coronavirus, réquisition, confinement, lazaret de 5 jours | Comments (0) |  Facebook | | | |