Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 06 June 2017

FAMELOMANA AINA

(Ny Aina angaha moa tsy efa midika hoe Velona??)
 
Mba deraina rehefa tsara.
 
Tsy fantatro ny anaran'ilay Service eo amin'ny vao miditra ny HJRB (Hôpital Joseph Raseta Befelatanana).
 
Ity aloha, fanamarihana mananihany nataoko hoe manjary miangatra an'i dadabe dokotera Joseph RAVOAHANGY-ANDRIANAVALONA; mampalahelo i dokotera Joseph Delphin RASETA raha anaran-dalana kely mahonena eny Andraharo no mba azony, ka ndao mba hasiana B ny "HJR" rehefa misy A ihany! Dia mba milamindamina ny saina.
 
Tsy haiko hoy aho ny anaran'ilay Service fa raha ny zavatra atao ao dia vonjy taitra sy famelomana aina. Izany hoe Urgences et réanimation.
 
Médicales io, izany hoe ireo aretina tsy mila fandidiana, tsy misy radratra. Ireny no antsoina hoe chirurgicales. Any amin'ny HJRA ireny no mandeha. Efa betsaka ny resaka nataoko mikasika an'io HJRA io, indrindra fa ny Réanimation chirurgicale, tsy haiko na I na II na inona, ary mbola tsy miova ny voalazako hatramin'ny septembre 2015.
 
Juin 2017. HJRB. Triage, urgences, réanimation. Io amin'ny sary io ny teny filamatry ry zareo. Somary nitsikitsiky ihany aho teo am-piandohana. Hoe inty indray ny piliavava fampandriana adrisa tsy maintsy atao!
 
Tena tsy haiko ny resaka teknika, hoe mahay ve ry zareo sa tsia. Fa ny toerana aloha, atao indray mijery, dia mahakivy tanteraka na ny fotodrafitrasa na ny fampitaovana. Ratsy be, tranainy be, maloto be, tery be. Niteny mihitsy ilay dokotera iray mpiandry raharaha fa raha sempotra dia "jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana" satria tsy misy oxygène ao. Ao daholo anefa no mifanaretsaka ny ambavahaona rehetra ary midridroka matetika ilay kalesy misy kodiaram-by, mamoaka an'ireo nodimandry. Tena maro. Nanisa aho fa tsy holazaiko anareo. Lalam-piainana daholo izany. Raha misy ny hoe velona, dia misy ny hoe maty.
 
Dia hoy aho hoe "deraina rehefa tsara". Samy manana ny tsarany. Fa izaho dia nahita fa tena "tsara fanahy" ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra niandry raharaha tao. Tsy hotanisaina lava fa mba itovizana kosa angamba ny famaritana an'izany hoe "tsara fanahy".
 
Tena mba mahatohina mihitsy ary tsy fahita firy ny olona mihevitra ny hafa ho olombelona; tsy hoe mihevitra ahy na izay mikasika ahy, fa rehefa mihevitra ny "hafa", na iza io hafa io na iza. Indrindra fa amin'ny toeran-tsarotra sy fotoan-tsarotra toy ireny.
 
Mankasitraka tompoko ary maromaroa ny toa anareo.
 
Raha miova anefa ianareo, dia hovaiko koa ity.

09:19 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: réanimation hjrb | Comments (0) |  Facebook | | | |