Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 05 June 2016

TENDROMBOHITRA

Variana foana aho rehefa mijery tendrombohitra avy lavitra, na avy eny ambony ...
 
Dia tadidiko foana ity tantara kely tao anaty boky nianarako vakiteny ity. Boky atao hoe Tsingory, nataon'i Prosper RAJAOBELINA.
 
Niainga, hono, ny tany fa hiady amin'ny lanitra. Dia nifanao fotoana ny tany. Samy hisavoana hanafika ny lanitra rahampitso maraina.
 
Nony ampitso, ny sasany nifoha mbola maizina dia lasa. Ny sasany natory maraina ka niposaka ny masoandro vao tafainga. Ny sasany tsy nihetsika akory na efa antoandro be aza.
 
Avo ny lanitra ka tsy nisy nahatakatra. Nefa nanjary tendrombohitra ireo lasa mbola maizina. Tonga havoana ireo nitaredretra natory maraina. Ary nijanona ho lohasaha fandrian'ny zavona ireo tsy mba nihetsika.
 
Izany, hono, no tantaran'izao hitantsika izao, izay mahalasa ny saiko mihitsy rehefa mahita an'iny andrefan'Ankaratra rehetra iny, sy iny Betsiboka rehetra iny ...

08:04 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tendrombohitra, tsingory, prosper rajaobelina | Comments (0) |  Facebook | | | |