Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 22 March 2016

VOLON'ANDRO PAKA

Eto an-katoky ny Paka 2016.
 
Toy izao ny fampandrenesana ny fodiamandrin'ny mpiara-miasa anankiray : "nantsoin'ny Ray ho eo anilany hiara-tsambatra aminy ka hitsangan-ko velona miaraka amin'i Kristy amin'ny Paka ... "
 
Fanekem-pinoan'ny fianakaviany, nampahatsiaro ahy tantara kely niseho taona maro lasa izay.
 
Tany amin'ny Sekoly Alahady, dia nampianarina anay hoe atolory an'i Jesosy ny fonao, apetraho aminy ny mikasika anao rehetra. Tamin'ny feo sy endrika feno faharesen-dahatra no nitoriana taminay, lalandava, fa izay manatona azy tsy mba holaviny mihitsy. Tsy nisy fanazavana be, tsy nisy nangata-panazavana ihany koa. Nino fotsiny ihany!
 
Nandeha isan-kerinandro teny ambanivohitra izahay. Manao izay raharahany any i Dada sy i Neny. Izaho sy ny zandriko kosa nijanona nilalao teo amin'izay tany malalaka narenina izay, nokasaina hanaovana trano. Indray andro, namelana ny voninkazo dia teny an-tsaha rehetra teny, avoko, kingatsa, ambiaty, vonin'ahitra, ... Nanamboatra fehezana kely izaho sy ilay zandriko, niangaliana fatratra. Hatao inona? Ndao homena an'i Jesosy! Aiza izy?
 
Nanao sary tanam-bokovoko teo amin'ilay tany malalaka izahay. Tsipika roa mifanapaka, natao tamin'ny vatokilonjy kely voarain'ny tanana. Napetraka tam-pitiavana sy finoana teo ireo fehezam-boninkazo. Hariva ny andro. Lasa nody izahay.
 
Niherina ny andro. Tsy andry izay nandehanana teny ambanivohitra. Hazakazaka nahafaty tena no nihanihana an'ilay havoana kely. Indreo ireo voninkazo fa nalazo sy maina teo ambonin'ilay sarin-tanam-bokovoko! Tsy nalain'i Jesosy!!!
 
Asa izay tany am-pon'ny zandriko, fa izay no hadisoam-panantenako voalohany indrindra tamin'ny hoe finoana.
Taona maro tato aoriana, ... nambolenay voninkazo vitsivitsy, fa tsy ho an'i Jesosy intsony ...

15:15 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: finoana, paka, omeo an'i jesosy | Comments (0) |  Facebook | | | |