Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 24 December 2017

PALITAO MANAKON-DRANTSANA

Palitao manakon-drantsana!
 
#Honorat_HERISOLOMAHEFA ao amin'ny tarika mpanao fanentanana mampihomehy atao hoe #Fou_hehy no nahenoako an'izay.
 
Ary dia azo sary an-tsaina ny tiany hambara. Tsy ny zaza ividianana akanjo noho ny vanim-potoana toy izao no resahany.
 
Fa ny olon-dehibe mampividy na mividy maimaika, akanjo mampisondro-danja na hoe sahaza ny fahefana vao natolotra na norombahana... Dia ireo olona mihevitra fa tsy lavorary ny haja amam-boninahitra raha tsy manao kompilé, izany hoe palitao sy pataloha voazaitra tamin’ny ravin-damba iray. Lafolafo, elaela tsy andrin’ny fisehoana vahoaka raha mbola hampanjaitra. Ka raha vantany vao voatendry amin’ny toeran’ny manam-pahefana, dia mila mianjaika, misalotra palitao fara faharatsiny, ary isaorana anie ny sinoa sy ny mpivarotra lamba tonta na lamba tsy lanin-tsambo atao hoe fripy, fa misy ho an’ny kitapom-bola rehetra eny. Saingy tsy misy ho an’ny habe rehetra, sady vidina maimaika, na ampanirahana fotsiny, ka dia maro no lava tanana loatra, mila hanakona ny tanana manontolo. Izay ilay hoe manakon-drantsana.
 
Mety ho ny soroka no milatsaka be loatra satria mbola mahia haka vahana ilay olona, hany ka mihalava ny tanana.
 
Mety ho ny tanan’akanjo mihitsy koa anefa no lava loatra, mila hafohezina hifanaraka amin’ny toe-batan’ilay olona.
 
Noho ny antony tsy takatry ny fitanisana, dia ijolohana tsy misy fanamboarana na fanitsiana izy ireny. Ny pataloha na somary lava aza, dia mba miforiporitra samirery manakontakona ny kiraro eny. Fa indraindray koa tena ilaina ny mampiseho hoe "vaovao" ilay izy. Dia jenitra tokoa ange, tsy misy toa azy, manao andia mivimbina kitapo kely mariky ny asa lehibe sy ny andraikitra goavana.

Raha ny zaza no manao akanjo somary malalaka, dia hoe misy hitomboany! Fa ny lehibe ve hitombo ahoana intsony, sady amin'ny an-tsakany ireny no mitombo. Nefa aleo koa aloha lehibe toy izay mihantona manara-batana toa sanatria ny kompilé tamin'ny nandraisana voalohany ny komonio.

Palitao manakon-drantsana...

Mety hoe mampitsiky fa sarisary ohatrohatra ihany ny palitao, saingy firifiry moa no mitafy lamba tsy antonona, misalotra anarana hosoka, misavika haja tsy mendrika, mibodo toeran-tsy sahaza, misandoka andraikitra tsy tandrify, mihambo haren-tsy ananana …
 
Dia ho gaga ve, sa mody gaga, raha tsy mandeha amin’izay laoniny ny toe-draharaha rehetra ?
 
Ny mpanoratra ny Ohabolana ao anaty baiboly ampiasain’ny kristiana, dia efa niteniteny toy izao any amin’ny toko faha-telopolo, andininy faha-iraika amby roapolo any ho any raha tsy diso fitadidy aho .
 
Dia masiaka be ve izany ?

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: nouvel élu | Comments (0) |  Facebook | | | |