Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 24 April 2017

FAKAN-TSILO

Mba hanala adidy fotsiny aho satria fantatro ihany izany hoe miala nenina sy miezaka hitazona ny aina ela araka izay tratra ka mampanaotao foana indraindray ...

Noheveriko fa noho ilay felany tena tsara tarehy toy ny vonin-tsilo rehetra no nangatahany an'ilay tsilobe tao aminay. Hay hono hangalany fakany fa fanafody "reins" (voa) !

Ny fandreko dia hoe fanafody "vato" amin'ny voa (calcul na lithiase) ny fakan'io tsilo telo rirana io. Tsy hoe fanefitra (fiarovana) fa fanafody (fitsaboana). Marihana fa rénal ny calcul raha any amin’ny reins, fa mety hisy vato koa any amin’ny tranon’afero, ka calcul biliaire indray izy amin’izay fotoana izay. Samy hafa mihitsy ireo.

Ny fitaovam-pivalanan-drano na fitaovam-pamaniana (appareil urinaire) dia fitambarana taova manomboka eo amin'ny voa (havia sy havanana) ary mitohy amin'ny karazam-pantsona, mandalo tatavia, ary mamoaka ny pipi (amany na ditsaka) ety ivelany. Filtres ny voa. Manatantavana ny ra mandalo ao aminy ka avoakany ny loto. Tsy tokony hisy molécules lehibe ho tafavoaka hanaraka ny pipi raha toa ka salama tsara ny voa. Efa misy fahasimbana ny voa matoa tafagorobaka any anaty pipi ny sela menan'ny ra (mipipi ra) na ny albumine (karazana protéine). Toy ny hoe rovitra ny lay dia tafiditra ny moka. Ny lay anefa mety azo zairina, fa ny voa tsy azo atao pansement. Anisan'ny manimba azy ny tosi-dra avo be mandalo eo aminy, ny otrikaretina sy ny dona samihafa, ny fanapoizinana avy amin'ny tambavy sy fanafody sasany, ny fahasembanana voajanahary, ny homamiadana ... Izany hoe betsaka ny antony ka iza amin'ireo no tsaboin'ny fakan-tsilo?

Ny vato (na calcul na koa hoe lithiase) kosa dia fivainganana singa any anaty fitaovam-pivalanan-drano any, amin'ny toerana rehetra hatrany amin'ny voa ka hatrany amin'ny fantsona sy ny sisa. Misy fantsona (uretères) avy eo amin'ny voa mankeo amin'ny tatavia dia misy fantsona (urèthre) hafa koa mamoaka ny pipi eny ivelan'ny tena. Manentsina ny vato, mampitohana pipi na koa mamparary be ny fiezahany hivoaka raha anaty fantsona izy. Mety ho calcaire mitoby izy io, mety ho faika hafa nivaingana. Toy ireny karazana tartres hita amin'ny appareils sanitaires ireny (lavabo, bidet, ...) , na ny dépôt fotsifotsy hita amin'ny fanambanin'ny pot (tavy) ela niasana. Ka karazana "vato" inona amin'ny habeny manao ahoana no hotsaboin'ny fakan-tsilo ary holevoniny sa hatosiny hiala amin'ny fomba ahoana?

Dia fatra toy inona sy fikarakarana manao akory no ilaina. Mitovy ve ny ho an'ny lahy sy ny vavy, ny lehibe sy ny zaza. Lena sa maina hafiriana?Tanehana (décoction) atao tambavy very sasaka ve sa asoka (infusion) kely fotsiny amin'ny rano mandevy. Sotroina isaka ny inona ary mandra-pahoviana dia ahoana no ahalalana fa mahomby ilay fitsaboana.

Izany hoe, anjoanjo. Sao vao mainka manitatra fahavoazana raha tsy mifanojo amin'ny fototr'aretina ny heverina ho fanafana atao.

Mety hanana "vertu" tokoa izao rehetra izao saingy hadisoana kely fotsiny amin'ny fatra ohatra, dia hitera-pahavoazana tsy azo arenina intsony.

Raha misy miteny hoe "marary reins" ny olona iray, dia tokony ho fantatra hoe ny inona marina no maninona. Izay vao tokony hoheverina ny fitsaboana mifanandrify amin'izay. Fa tsy rehefa olana ara-pipi = fakan-tsilo!

Averina indray fa ny "reins" raha simba dia sarotsarotra ihany. Rehefa tonga lavitra amin'ny tsy fahafahany miasa intsony ny voa (insuffisance rénale) dia ny fanoloana azy (greffe) angaha no mety ho vahaolana ... Mandra-piandry an'izay, dia dialyse no atao ...

Mba nanala adidy fotsiny aho fa ianareo ihany no erany tompoko.

Néphrologie no spécialité mikarakara ny voa.

20:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fakan-tsilo, néphrologie | Comments (0) |  Facebook | | | |