Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 29 March 2019

HO AVY INDRAY IZAO NY 29 MARS

Karazana daty izany tsy maintsy notadidiana izany mba hahafahana fanadinana!

Dia misy ny nanjary tadidy tsy nahy noho ny tabataba naterany, na tsara io na ratsy.

Tao koa ireo niniana notadidiana sy notanana an-tsoratra, sao ilaina indray andro  any ...

Ny ankamaroan'ireny, dia nitondra fahasoavana ho an'izay nahay nanararaotra. Zana-tohatra niakarana sy lakana nitàna. Alitara nanaovana sorona maro dia maro hanasinana Fanjakana.

Ny tsy aritro dia izato hafanam-po eny am-piandohana hoe "ataonay ho an'ny Tanindrazana", "na hamoizanay ny ainay aza", "izahay tsy mila tambiny", ...

Tsy araka izay anefa fa indreto miady fo, miady varotra, miady an-kanina, miady toerana ho filoham-pikambanan'ny Mpitolona, miady sisiny ho Akanga sisa nanamborana sy Vary sisan-kavandra ...

Raha latsaka aina, hono, izany ilay teny an-tsahan'ady, dia itadiavana mpandova mba handray ilay "asam-panjakana" atao valim-babena. Sao very ny zo sy tombontsoa.

Raha efa nihoatra lavitra ny valopolo taona, hono, izany ireo tokony ho miaramila menavazan'ny 1947, dia mbola misy an'arivony ihany mijoro homem-boninahitra.

Na, tena tsara fivelomana izany mpiady tranainy izany. Na, tena tsara tohana ara-tsaina niatrika an'izay niaretana ... Ka nahahoatra lavitra be ny espérance de vie an'ny Gasy.

Fa tena maha-ela velona ny manao tolom-panafahana rankizy! Aleo tokoa velona ho an'ny Tanindrazana satria tena mila olona feno hakingan-tsaina sy hafetsifetsena ity Madagasikara ity.

 

Rondro H. Régnier (Bozy Boléta)

Photo ©madamaki

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mpitolona tsy mety antitra | Comments (0) |  Facebook | | | |