Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 01 April 2017

FIHATSARAMBELATSIHY

Tsy lainga ity na 1er avril aza androany. Izaho tsy mandainga mihitsy. Tsy lazaiko daholo fotsiny ny marina.

Fa miombon-kevitra aminao aho rahavako raha miteny lalandava ianao fa endrika fanajana ny fihatsarambelatsihy. Ary indrindra, fanajana tena angamba hoy indray kosa aho.

Dia vidiana lafo tokoa izy izany, araka ilay hoe vidian-kaja, vidiam-boninahitra!

Fa nironjona saika nianjera mihitsy ange aho nosintonin'ilay olona horohana e. Itony ilay oroka tsy fantatra intsony na intelo na inefatra. Toa nanamparany nanonerana ny fotoana ela tsy nanaovany coup de tête re aho!

Fofompofon-kavana ihany izy ireo, saingy tsy tiako maizina ary fantany izany. Saingy nohararaotiny ilay fahoriana niaraha-nanana satria hoe tsy miady amin'ny vanim-potoana misy faty angaha. Dia nihevitra angamba ry zareo fa hofafako ny tsy fahafaliako aminy eto am-pahitana ity razana, havana iombonana. Diso hevitra ary tokony hatsahatra ny fiheverana satria amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo, dia dinganiko ilay hoe tahaka ny namelànay ...

Tena nihatsaravelatsihy aho, ary mahay.

Fiarahamonina? Hena-maso? Satria dia nanaiky tsy nihifika norokorohan'ireto olona halako! Hay tsy vitako akory ny nitana ny teniko hoe izaho tsy tia mihatsaravelatsihy ... Tsy tia kosa kay fa tsy hoe tsy manao !!!

Tsy mihatsaravelatsihy ? Lainga iray iny ! Resaka be fotsiny. Asa koa aloha izay toetr'endriko tao raha nalaina sary. Tsy tokony hifampiampanga mantsy ny miafina sy ny miseho.

Indrisy e. Ny "tokony" sy ny "tsy misy" dia zaza kambana ihany! Laingako izany :-)

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mifanorokoroka, fihatsarambelatsihy | Comments (0) |  Facebook | | | |