Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 18 January 2018

MESSAGE EXCEPTIONNEL DU PAPE FRANCOIS

Rehefa miha-mitombo taona isika ka miha-hendry kokoa, dia tsikaritra miandalana fa :

-mitovy ny fotoana refesin'ny famantaranandro lehibe mitombana 3000€ sy ny famantaranandro fanao an-tanana mitentina 30€
-ny porte-monnaie iray amidy 300€ sy ny portefeuille 30€ dia samy azo ametrahana sandam-bola mitovy
-tsy misy maha-samy hafa azy ny fahanginana (solitude) [Ndlr fanginana (silence) ] na ao anaty trano mirefy 70m² na ao anaty lapa 300m².

Antenaiko fa indray andro any dia ho tsapanao fa tsy avy amin'ny zavatra sy haren'ny tany no ahitanao fiadanana ao anaty.

Tsy misy dikany na handeha amin'ny première classe ianao na amin'ny classe économique, hitovy ihany ny sandan'izany raha mianjera ny fiaramanidina.

Antenaiko fa tsapanao hoe tena fahasambarana ny fananana namana sy iray tampo iresahana, iarahana mihira sy mihomehy.

Ireto ny andry 5 n'ny fahasambarana :

1-Aza taizaina ho mpanankarena ny zanakao fa beazo ho sambatra, mba ho ny lenta no ho hitany fa tsy ny sanda

2-Hano toy ny fanafodinao ny sakafo. Ny fanaonao manko dia haninao toy ny sakafo ny fanafody.

3-Na misy antony 100 handaozanao ny olona tianao aza, dia hisy antony iray hijanonanao.

4-Vitsy no manaiky hoe misy fahasamihafana lehibe ny hoe "manana endrik'olombelona" sy ny "tena olombelona".

5-Tian'ny olona ianao raha vao teraka. Tian'ny olona ihany koa rehefa maty. Ny eo anelanelan'izay kosa dia miankina aminao.

Ny dokotera 6 tsara indrindra dia ny hazavan'ny masoandro, ny fialan-tsasatra, ny fampiasam-batana, ny fahaiza-misakafo, ny fatokian-tena ary ny namana. Ataovy izay tsy isarahana amin'ireo mandritra ny dingam-piainanao rehetra, ary araraoty ny fananana azy ao anaty fiainana mendrika.

Tsy mora ny maha-olombelona : tsy nangataka ny hateraka, tsy mahay miaina ary tsy te ho faty !!!

Ny fanomezana sarobidy indrindra azo atolotra ny olona iray dia ny fanokananao fotoana ho azy. Ataovy HATRANY izany, ho an'ny fianakavianao sy ho an'ny sakaiza maminao.



s.s. Pape François 1er
publication de Guinee Buzz

Traduction libre de Rondro H RAKOTOBE

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: message du pape françois | Comments (0) |  Facebook | | | |