Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 16 May 2018

CLASSE ET DIGNE

Mazava ao an-tsaiko ny hevitr’izany teny izany, saingy tsy haiko ny handika azy amin’ny tenin-gasy. Tsy kolon-tsainy angamba matoa tsy ananany voambolana. Hambom-po ? Haja amam-boninahitra ? Fahamendrehana ?
 
Dia hisy hamaly boraingona hoe samy manana ny ataony hoe mendrika sy mihaja. Dia hisy hamaly bontana hoe « izay tianay ihany io ».
 
Izay fitondran-tena any anivon’ny ankohonana sy ny fianakaviana ihany no miseho ety ivelany. Fotoana vitsivitsy monja izany no azo afenina, fa atrangan’ny lalam-piainana eny foana.
 
Tamin’ny andron’ny horonam-peo natao hoe cassette, dia nisy olona nanana tsangan-kevitra hoe tsy mampiditra afa-tsy original ato an-tranonay izahay. Tamin’ny fotoana nirongatan’ny varotra amoron-dalana, niova ho anaty lalana, dia nisy olona nivoady hoe tsy hividy eny mihitsy izahay. Tamin’ny fiandohan’ny fidirana gaboraraky ny entana tonta eran’ny tsena, dia nisy olona nisafidy tsy hampitafy ny ankohonany sy hameno ny tranony amin’ny sisasisan-javatra. Dia hisy hiteny hoe manan-tsira izy ka miseho ho mahay mahandro. Izany no atao hoe principe ry havana. Mety ho araka, mety tsy ho araka, fa efa mba ananana aloha.
 
Ankehitriny. 2018.
 
Mahazo laka sy mahazo faka ny fisehoana ivelany. Resin’ny paraître ny être. Tsy ny avoir intsony no mandresy ny être satria ny fara fahakelin’ny avoir dia ahazoana ravoravo antentina ahavitana paraître manjambena ny mason’ny manodidina. Koa raha sady manjelatra ny paraître no avobe ny feo, dia azo mora foana ny fahombiazana. Samy manana ny ataony hoe mahomby ihany koa.
 
-Olona (sendra) nahazo toerana ho amin’ny fanapahan-kevitra iankinan’ny aim-pirenena, no mifanahim-biby, mihorakoraka sy mifanaritaka toy ny akoho amam-borona ao am-pisoko.
 
-Olona (sendra) tafiditra tamin’ny ankisisika ao anaty fahefam-panjakana, no mifanahin-jaza misangy sy manao tarehy ratsy, te hoderaina (angaha) anaty raki-tsary hipetraka ho tantara.
 
-Olona (sendra) tojo sehatra ahafahana manely tsangan-kevitra amin’ny kabary tsy valiana no mitsangana ho mpampianatra ny taranja rehetra misy sy vao noforonina.
 
Ny fihazakazahana manenjika paraître no anazavana ny :
-famadibadihana palitao eny amin’ny fanaovana sarintsarim-politika, amadihana ny namana sy amitahana ny tena
 
-tsy firaharahàna foto-kevitra sy faharesen-dahatra sy éthique fa rehefa ho vola dia irobohana, na inona na inona hamidy, na misy na tsy misy hamidy, na hahavita taona na ho tapitra eo no ho eo
 
-fanaovana rano dikain’ny zinga tsy manaraka ambaratonga na inona na inona mba hanakarana sy handrombahana ny tokony ho anjaran’ny hafa
 
-fisavihana ny randran-tsy manendrika rehetra, enti-misandoka na ijolohana fotsiny izao satria lamaody na heverina ho mari-piamboniana
 
Dia tsy mahagaga raha toa ka,
satria :
-ny marina mitavozavoza …
-ny hendry mody voky …
 
Saingy efa nolazaiko fa tsy ahaveloman-tena sy ahavelomam-bady aman-janaka ny fahamarinana sy ny fahendrena, araka izay famaritana azy « tena izy ». Toraka izany koa ny classe sy ny dignité sy ny karazana principes : fihinana ve izany ?
 
Izany ange no anisan’ny nahatonga ny sasany niteny an’ilay hoe « andrian-dreraka » e ... Mety ho reraka ivelany tokoa fa mihaja ao anaty, ary fahafaham-pony samirery izany.
 
Dia samia àry manohy ny lalany.

16:15 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: classe, mendrika, mihaja, être et paraître, être vs avoir | Comments (0) |  Facebook | | | |