Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 03 April 2017

RAHARAHA MDRM

Ity manaraka ity dia sombintsombiny momba ny raharaha MDRM, nalaina t@ rakitsoratr'Ingahy RALAIARIJAONA, mpanao gazety, navoaky ny zanany #RALAIARIJAONA_Zo_Lalaina tao amin'ny tambazotra Facebook, mars-avril 2017. Nomarihany fa biographie no nakàna azy ity ka dia misy ampaham-piainana manokana mety ho tafatsofoka ihany koa.
 
Am-panetren-tena tokoa no izaràna azy amintsika.
 
"Izaho (RALAIARIJAONA) dia manambara tsotra tsy misy fihambahambana fa ny Frantsay ihany no nanao sy nampanao ny fikomiana tamin’ny taona 1947.
 
1-Ny porofo voalohany dia ny fisian’ny telegrama nalefan’ny ministry ny kôlônia manao hoe: “Ataovy izay hahafoana ny MDRM amin’ny fomba rehetra”. Noho izany dia nampiasa fomba samihafa hatramin’ny fitadiavana olona handeha hamitaka ny tia tanindrazana ny fanjakana frantsay teto an-toerana.
Olona roalahy, Malagasy? No fiasan’ny kôlônialista tamin’izany dia i Rakotondrabe nantsoina hoe ‘Bateravola’, satria mpanao paraky izy ka ‘Bateravola’ no nataony anaran’ny parakiny. Ny iray faharoa dia Ravelonahina, teo andrefan’Ambohijanahary. Izy roalahy ireo no nomen’ny fanjakana vola ka nandeha nitety an’i Madagasikara sy nanosika ny tia tanindrazana hikomy. Tsy azo moramora ny fahaleovantena, hoy izy ireo. Ra no nahavery azy ka tsy maintsy ra latsaka koa no hamerenana azy indray. Noho izany dia hikomy isika fa efa azontsika ny tobin’ny tafika, manampy antsika ny Amerikana izay nanome fiadiana antsika. Ary dia voafitaka ny vatan-dehilahy izay tahaka ny omby atosika eny amin’ny labatoara ho faty....
 
2-Porofo faharoa, dia ny fitovian’ny fihetsiky ny Administrateurs rehetra manerana ny Nosy tamin’ny fanenjehana ny mpikambana amin’ny MDRM. Mitovy ny fomba fisamborana sy ny fampijaliana natao. Efa fantatry ny Administrateurs rehetra ny toe-javatra hiseho, fa tsy nanampoka ny tany amin’ny toerana lavitra ny renivohitra velively.
 
Ny ‘colons’ “voanjo” dia efa samy nahalala koa, afa-tsy ny Vazaha sasantsasany izay fantatra fa mifankahazo amin’ny Malagasy. Ireny dia novonoin’ny tafika frantsay saingy nambara fa novonoin’ny mpikomy mba hanamarinana eo imason’izao tontolo izao fa mikomy marina ny Malagasy, ary nisy Vazaha maromaro maty. Tao amin’ny faritr’i Moramanga no nisian’izany.
 
Porofo hafa koa ny fomba namitahana ny Malagasy tsy mahalala na inona na inona. Ny sakaizako atao hoe Raharindranto Hyppolite no niresaka tamiko. Nentin’ny miaramila vazaha niaraka taminy izy handika teny. Masoko izao no nahita ry ise, hoy izy, fa indrery ery ampita atsimo ery ny vahoaka marobe. Misy tetezana no manelanelana anay sy ireo vahoaka ireo, ao Andriambazaha (lalana mankany Mantasoa io). Henoko tsara ny fihiakan’ny lehiben-dry zalahy mpikomy, mibaiko hoe “couchez-vous”. Indreo fa midaboka amin’ny tany avokoa izy rehetra. Tamin’izay dia nirefodrefotra ny basy maro vava mila tsy hisy farany. Kanefa raha vao mitsahatra ny tifitra variraraka dia mitsangana sy mikopa-damba izy rehetra sady miantsoantso hoe “rano, rano”. Ary tsy misy maty mihitsy na iray aza. Ka tena manaiky aho, ry ise, hoy izy, fa mahery marina ny odin-dry zalahy mpikomy ireo.
 
Fitaka anefa izany. Bala fotsy no niniana nampiasaina, ka mipoaka ery, nefa tsy misy mahavoa. Ary dia nino tokoa ry zalahy fa mahery ny ody, kinanjo nony taorian’izany dia naripany tahaka ny fandripaka valala. Ary tsy 90.000 ihany akory ny Malagasy no maty fa mihoatra be dia be lavitra noho izany.
 
Momba ny Frantsay dia hatry ny fahakeliko no tsy nahay nifandray taminy aho. Ny Vazaha mba fahitako dia ny “inspecteur des écoles”. Tahaka ny biby masiaka mahatahotra mihitsy ny fihetsiny raha vao miditra ny efitrano sekoly. Ny mpampianatra amin’izany dia tena miondrikondrika mitotototo ery. Izahay mpianatra dia mifitsaka tahaka ny voalavo mahatazana saka. Latsa-paka tao an-tsaiko ny hoe : “ireny no vazaha”.

Ny Vazaha mba hitako koa dia Colon nanao hotely tao Manjakandriana. Vazaha daholo no miditra ao amin’ny hoteliny, ary mirehareha ery izy eny an-tanàna miaraka amin’ny administrateur.
 
Indray andro dia naka kopian’ny nahaterahako tao amin’ny biraom-panjakana aho. Tsy vita ilay izy fa tsy maintsy niandrasana ny hariva, nefa ny tena tsy nitondra vatsy na vola kely akory hamidy mofo. Mba nanandrana niteny tamin’ilay Vazaha aho, sady nangataka vola. Trerona tsy fantatro dika no navaliny ahy, sady nivandravandrany aho. Noheveriko hahazo daka aza aho, dia lasa nijaingijaingy namonjy fialofana.
 
Izany toetra hitako tamin’ny Vazaha izany dia niampy trotraka teo amin’ny nataony ka nandripahany Malagasy an’aliny maro. Heveriko fa ananan’ny Malagasy trosa i Frantsa, satria ny hahazoan’ny Frantsay mijanona eto Madagasikara mandritra ny folo taona roa no antony nahasahiany nandripaka ain’olona marobe tahaka izany.
 
Tadiavin’ny olona sasantsany mpanoratra tantara hosarontsaronana izany fihantsiana nataon’ny Frantsay izany, ka nampitafian’ny mpanao pôlitika endrika hafa iny raharaha iny. Nolazain’ny sasany fa asa fitiavan-tanindrazana no nataon’ny mpikomy.

Misy tokoa ny Malagasy tso-dahy izay nandeha am-pahatsorana ka nanjary matimaty foana. Ireny dia tena tsy manan-tsiny mihitsy. Fa ireo olom-boavidin’ny fanjakana Frantsay namitaka sy nitaona ny mpiasaben’Andriamanitra hikomy no tena meloka.
 
Totohondry sy langilangy ve dia hisedrana basy sy tafondro?

Tao ny miaramila menavazana tafaverina avy any Frantsa taorian’ny ady 1939-45, nefa basy poleta ve dia ho azo enti-miady ? Nampiasaina hatramin’ny basim-borona, saingy tsy misy lanjany akory ireny teo anoloan’ny fitaovam-piadiana izaitratra nampiasain’ny tafika Frantsay.
 
Sasantsasany amin’ny fandringanana natao tamin’ny Malagasy dia izao :
 
Nosamborina ny MDRM tany amin’ny faritr’i Alaotra sy Ambatondrazaka. Natao tao anatin’ny ‘wagon’ fitondrana omby izy ireo. Rehefa tonga tao Moramanga dia notifirina tamin’ny basy maro vava ka potipotika daholo, afa tsy iray monja izay voatsindrin’ny faty ka nieren-doza.
 
Nanavotra aina nandositra io nony alina ka voavonjy. Rakotoniaina no anarany. Avy ao Ambatomanga ny fihaviany, ary anadahin-drenin’Andriamaholison Richard izay nigadra 13 taona tamin’ny fitondran-dRatsiraka.
Nisy olona natsipy teny ambony fiaramanidina, rehefa nafatotra tao anaty gony. Nisy ny natsipy tany anaty rano. Tao ny nasaina nanao lavaka be dia nasaina nilahatra teo amoron’izany lavaka izany, ary notifirina dia nianjera tao anaty lavaka, ka nototofana tambabe tao. Tany Manakara no nisy izany.
 
Tany Anjozorobe dia nafatotra sy nalahatra teo amin’ny arabe ny MDRM ka nohosen’ny aotomobila an-dry zalahy Colons. ‘Barlet’ no nalaza tamin’izany famonoana olona izany.
 
Tamin’ny taona 1958 dia nandeha tamin’ny ‘automobile’ vao novidiko hankany Anjozorobe aho. Manomboka eo Andriampamaky ka tamin’ny toerana rehetra izay nolalovako dia nandositra daholo ny olona tamin’ny lalana nolalovako. Fa nahoana ?
 
Hay ilay ‘automobile Citroën traction avant’ n° 6774 T izay nentiko dia an’i Barlet taloha. Namidiny izy io ka napetrany tao amin’ny Garazy iray, dia nanaovany filazana tamin’ny gazety. Mora foana no nahazoako azy, kinanjo hay aôtômôbila nihosin-dra izy io taloha.
 
Ingahy Rakotondrabe Bateravola dia voasambotra ka notanana am-ponja tany Antanimora. In-droa andro monja talohan’ny hanaovana ny fitsaran-dehibe ny MDRM anefa dia novonoina izy. Nilaza mantsy izy io fa hambarany avokoa ny zava-drehetra. Koa satria vavolombelona manelingelina dia notifirina.
 
Antony anankiray nampisafoaka ny ‘avocats’ mpiaro ny MDRM izany namonoana azy izany.

Fa ahoana tokoa àry no nisehoan’izany ? Tao amin’ny efitrano nitanana an-dRakotondrabe Samuël dia nisy efitra ilany izay nampidirana olona tamin’ny indray harivariva. Novelesin’ny pôlisy tao io olona io ka nitaraina niantso vonjy nampalahelo. Tao amin’ny efitra ilany Rakotondrabe Samuel nahare tsara ny fitoloko sy fitarainan’io lehilahy io. Rehefa alina maizim-be dia naiditra tao amin-dRakotondrabe ilay lehilahy. Ary tao izy no nitoloko mafy ery.
 
Ka tamin’izany dia nilaza Rakotondrabe Samuël fa hambarany avokoa ny marina rehetra, satria tsy izao no nifanarahana hoy izy.
 
Ny marina dia tsy novelesina sy nampahoriana akory ilay lehilahy, fa mody nokapohina fotsiny, nefa tsihy no nokapohina ka nipoapoaka ery. Isaky ny mipoaka ny kapoka dia miantso vonjy sy mitaraina kosa Ralehilahy. Tao anatin’ny haizina, dia tahaka ny efa tsy fantatra ho olona intsony io. Mpitsikilo anefa io, ka nitatitra ny teny rehetra nataon-dRakotondrabe Samuël. Ary raha mbola alina maizim-be ny ampitso dia nalàna tao ilay lehilahy, ka nitondra ny rapaorony. Izay no nahafaty io vavolombelona lehibe io.

Tsara ny manambara fa nisy taratasy nosoratan-dRakotondrabe Samuël izay nomeny an’i Dr Rakotonirainy, ary nomen’i dokotera an-dRamatoa Razanabelo, vadiny izay namangy azy teny am-ponja. Hitan’ny masoko io taratasy io, ary natolotra an’i Maître Stibbe. Tsy mbola nisy fanaovana ‘photocopie’ tamin’izany, sady mbola tao anaty horohoro koa aho ka tsy nahita hevitra hanao kopia ilay taratasy. Inoako fa Rtoa Gisèle Rabesahala izay sekreteran’i Me Stibbe dia ho nahita ilay taratasy.
 
Ravelonahina dia voasambotra ihany koa, nefa fantatra fa fisamborana hanakonan-javatra fotsiny. Ny mpigadra rehetra dia nandefasan’ny havany sakafo toy ny ovy, karaoty sy ny sisa tany Nosilava. Fa Ravelonahina kosa dia izy indray no mandefa vola ho an’ny vady aman-janany aty Antananarivo. Izany hoe mody nosamborina izy, dia mody nalefa tany Nosilava, nefa nomem-bola hivelomany sy ho an’ny vady aman-janany. Ny mpiara-migadra taminy, nahita maso, no nitantara izany toe-javatra izany tamiko.
 
Ny voatanisa be ankehitriny dia ny mpiady tany an’ala nifanehatra tamin’ny tafika frantsay. Ireo anefa dia soritina mazava tsara fa olona voatariky ny antoko miafina PANAMA sy JINA. Nandeha am-pahatsorana izy ireo satria nilazana fa ho avy ny Amerikana hanampy sady mitondra fiadiana be dia be. Tsy nisy anefa izany fa dia naman’ny mitolo-batana ho sakafon’ny bala ireo. Ary izany dia fomba nanatanterahan’ny Ministry ny kolonia frantsay Mr Marius Moutet hoe : ‘Ataovy izay haharingana ny MDRM amin’ny fomba rehetra’.
 
Izaho dia manitrikitrika fa tsy MDRM mihitsy no nitarika ny fikomiana tamin’ny 29 marsa 1947. Fa ry zalahy JINA sy PANAMA nitsofoka ho anisan’ny mpikambana amin’ny MDRM ihany koa no nitarika ny fikomiana.
 
Ny PADESMA izay noforonin’ny frantsay hanohitra ny MDRM dia fiasana tsara teo an-tanan’ny frantsay. Izy ireo dia efa nangataka hoe : “omeo fiadiana izahay handringananay ireo MDRM mitaky fahaleovantena ireo”. Koa rehefa nafana ny ady dia nanampy ny frantsay izy ireo, ka izay tsy miseho mivantana dia “manondro molotra” hisamborana ny MDRM.
 
Sehatra nitsofohan’ny JINA sy ny PANAMA ny Fikambanana Tily. Ny tenako dia Mpitarika ny “Routiers Professionnels” tao Manjakandriana.
 
Ivelan’ny naha-Sekretera Jeneralin’ny section MDRM tao Manjakandriana ahy, dia anisan’ny Tily Mpiandalana koa aho sady Filoha Mpitarika.

Nitsofohan’ny PANAMA tao aminay. Tsy fantatray ny tetiky ny PANAMA, fa ny nirehitra tao anatinay dia ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahafaham-pirenena. Atoa Maurille Randrianarivelo no tonga tsy tapaka namangy anay ka tao amin’ny Paositra no fivoriana amin’ny alina.
 
Indray alina dia nodinihina ny fomba hifankahalalanay rehetra, ka tapaka fa ny ‘revers'-na palitao havia no nasiana paingo-dantelina iray, ary ny havanana kosa ho roa.
 
Koa rehefa mihaona amin’olona tian-ko fantatra dia tsapaina ny paingotra ilany, dia mba mitsapa ny azy koa ilay olona, dia mifanolo-tanana amin’izay satria mpiaraka.
 
Tsaroana fa taty aoriana rehefa nisy fisavana nataon’ny miaramila senegaly dia nojereny ny ‘revers-na palitao’ raha misy paingo-dantelina. Notsoahany izany dia nalentiny tamin’ny tarehin’izay trany. Zava-doza ho an’izay tratran’izany fisavana izany.
 
Koa raha nalaina am-bavany aho tao amin’ny “Hôtel de ville” dia antony nivelesana ahy mafy ny hoe “PANAMA” aho.
 
Nolaviko mantsy io satria tsy hitako izay maha-mpikambana ahy.
 
Tamin’ny 10 avril 1947 no nosamborin’ny miaramila vazaha sy Senegaly tao Manjakandriana aho, satria Sekretera Jeneralin’ny Sampana MDRM tao. Niara-voasambotra tamiko Ramonjisoa Venance izay Président MDRM Manjakandriana. Tamin’io alina io koa dia tafaraka taminay satria voasambotra voalohany Ingahy Rakototiana, Chef de gare tao Anjeva sy ny ‘aiguilleur’ tao. Efatra izahay no niara-novonoina sy nampijaliana mandra-pahatonga taty Antananarivo.
 
Tsy omby toerana intsony tao Antaninarenina nisy ny ‘Sureté Générale’, ka nentina tao Antanimalalaka ao amin’ny Hôtel de Ville izahay (Ramonjisoa Venance, Rakototiana, Chef de gare Anjeva sy ny ‘aiguilleur’ tao). Efa marobe ny olona voasambotra tao, samy efa mihosin-dra avokoa ny akanjony, ary difotra ao anaty ratra ny maso. Nahazo ny kapoka anjarako aho tao. Marihiko fotsiny fa tamin’ny famotorana natao ahy dia ora 2 sy sasany no nasaina nandohalika teo amin’ny riran’ny règle-vy’ aho, ka mbola notsindrian’ilay kaomisera vazaha indray ny soroko. Ny kapoka amin’ny tehina sy ny totohondry amin’izany mandrivorivo isaka ny mandà aho fa tsy nikomy, ary tsy mpikambana tamin’ny JINA sy ny PENJY. Taty aoriana vao fantatro fa ny PANAMA no nambara hoe “Penjy”.
 
Tsy nanaiky mihitsy izay nampiaikena ahy aho, ka tsy mba naiditra am-ponja.
 
Fitondran’Andriamanitra lehibe izany, satria nahafahako niasa niaraka tamin-dRamatoa Razanabelo anabaviko (vadin’i Dr Rakotonirainy, SG MDRM Antananarivo) nikarakara ny ‘avocats’ mpiaro ny MDRM, sy nanampy ny vadin’ny gadra teo amin’ny raharaha manahirana rehetra mety ho tratry ny heriko sy ny fahaizako.
 
Tiako ny hilaza zavatra vitsivitsy mialohan’ny fitantarana samihafa sao hadino. Niasa mafy aho tamin’ny fandraisana ireo Mpisolovava avy any ivelany izay tonga hiaro ny MDRM eo amin’ny fitsarana. Izaho no hany lehilahy afaka mivezivezy etsy sy eroa satria efa any am-ponja avokoa ny lehilahy. Ramatoa RAZANABELO, vadin’i Dokotera RAKOTONIRAINY no niara-niasa tamiko. Tao aminy mantsy aho no nipetraka rehefa afaka tamin’ny fanaovan-tsonia teo amin’ny polisy nandritra ny taona iray. Nanampy ahy koa Ramatoa RASOANORO Zèle, ary Gisèle RABESAHALA nandika teny tao amin’ny Avocats.
 
Ireto ny anaran’ny Avocats avy any ivelany :
Mes Stibbe mivady
Me Douzon
Me Dechazelle
Me Lamine Gueye, Afrikana
Me Santos, Afrikana.
 
Izahay mianadahy no nivantanan’ny ‘avocats’ rehetra : ry Me Stibbe, Dechezelle, Douzon sy ny hafa koa. Izaho no mpanoratra ny taratasy nakany Andafy ho an-dry Dr Ratsimamanga, Pr Andriantsilaniarivo, ny ‘Avocats’ sy ny mpanao pôlitika nanohana ny MDRM.
 
Aoka hilaza tantara kely aho. Tsy maintsy nitsena an’i Me Douzon teo amin’ny ‘Air-France’ izahay mianadahy. Tsy nisy marika hifankahalalana fa dia nitazantazana fotsiny. Nisy vazaha iray toa miherikerika mizaha olona. Nanatona aho ka nanontany hoe: “sao ianao no ‘avocat’ avy any Paris?”. Trerona feno avona no navaliny. Sady toy ny mihevitra ahy ho olon-dratsy mitady hamely azy izy. Sady menatra aho no namonjy nihataka. Ny pôlisy sy ny mpitsikilo amin’izany miritsidritsika.
 
Efa ela ihany vao tafahaona izahay. Nifanena ny maso dia samy nitsiky kely ny molotra. Niditra tao anaty fiarakodia izahay, dia nankany Analakely, nanohy eny Ambohijatovo, nihodina any Ambanidia vao nianavaratra any Andravoahangy, nefa etsy Soarano, 4 bis Rue Galliéni no haleha. Narahin’ny mpitsikilo mantsy izahay ka nihodinkodina nanary dia azy.
 
Indray hariva dia naka an-dry zalahy ‘avocats’ teny Tsaralalàna aho, fa hiara-misakafo eny Faravohitra. Ry Me Lamine Gaye no tao. Raha niomana handeha izahay dia indreo feno miaramila senegaly sy kaomisera vazaha teo alatrano. Tao ambony rihan’ny magazay Benoît (BNI ankehitriny) no nisy anay. Horohoro moa izany ny anay. Hitako fa na ry zalahy Avocats aza dia nanahy. Novonoina ny jiro. Samy nanarangarana teo am-baravarakely. Nandrasana sao misy efa miakatra ny tohatra ry zalahy, kinanjo tsy nisy. Niala tsikelikely ihany izy ireo, dia mba nandeha koa izahay. Mafy tamiko izay minitra vitsy tao anaty tebiteby izay. Ny tokiko dia ny nahita an-dRtoa Rasoanoro Zèle tsy natahotra kely akory. Ny nahatonga ahy ho feno tahotra dia satria tsy mbola voakosoka tao an-dohako ny vono sy fampijaliana natao ahy raha nisambotra ahy tany Manjakandriana ny miaramila vazaha sy Senegaly".
 
Tahirin-tsoratra RALAIARIJAONA, Mpanao Gazety.
 
 

10:30 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: mdrm, 1947, ralaiarijaona | Comments (0) |  Facebook | | | |