Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 20 June 2018

NY TORIMASO

Misy karazany maro ny torimaso, dia misy zavatra maro azo tantaraina mikasika azy.
 
Tokony ho adiny valo hono izy io ho an’ny olon-dehibe tsy misy fahavoazana. Rehefa sarotsarotra ny fahazoan-tory, dia misy fanafody atao hoe fampitoniana izay mampatory tokoa. Rehefa misy fandidiana hatao amin’ny vatana dia toranina, izany hoe ampatoriana, dontoina. Voalaza fa zanajanaka fahafatesana ny torimaso. Ary ny fahafatesana no lazaina hoe torimaso farany. Raha diso fatra ny fanafody fampatoriana, dia mandeha tsy miverina any ny aina. Misy mitantara fa ny olona efa nampatoriana elaela na tsy nahatsiaro tena nandritra ny fotoana naharitra dia manana takaitra somary domelimelina.
 
Misy ny fahaizana manokana mampatory am-pitoerana olona anankiray na maromaro. Mety tena ho renoky ny tory ilay olona, na manadino fotsiny ny finiavany sy ny fahatsiarovan-tenany. Misy fambara ihany rehefa ho sokoin-tory ny olona. Manoakoaka, mandrimandry maso ary dia mikimpy. Miova ny fisefoana rehefa matory. Ao ny milamina tsara, sanatria toy ny maty. Ao ny misentosento, atao hoe miesona, dia ao ny mitrena atao hoe mierotra. Ao anaty torimaso dia misy karazana nofy maromaro, ao ny mampitsamboatra, ao ny tsaroana rehefa mifoha, ao ny tsy tadidy mihitsy, ao ny mitamberina hafahafa rehefa any aoriana ela any ka tojo zavatra nitovitovy tamin’ilay azo nofy …
 
Rehefa matory ny olona, dia misy tsy taitra mihitsy na andrehetana jiro, na itabatabana, na fafazana rano. Misy ny mandry tsirangaranga ka mandre an’izay hetsika faran’izay kely. Dia misy ny mamaly mazava raha anontaniana …
 
Fa misy, ary betsaka ny mihiratra sy mandeha eny rehetra eny nefa tsy ao ny sainy. Misy ny tsy ampatoriana akory dia matory ho azy. Misy ny mitady fandrotsirotsiana mihitsy. Mamono eritreritra ve fa mafy loatra ny adim-piainana ? Sa tsy ampy fialam-boly ka mitady fahatsapana hafa ?
 
Fa dia betsaka no « miesona » eto an-tany ! Tia miara-mirona loatra, ampanaovina dihy faobe, ampanaovina akanjo mitovy, hany ka mora tratry ny fonoka faobe.
 
Aleo mba hotairina kely.
 
Ireto avy no santionan’ny teny fampatoriana, izany hoe fampiesonana, safosiaka mampandry adrisa, matoritoria hanaterako hena, dony tapany handoa erany. Tsarovy fa matoa ny olona iray ampatoriana (toranina), dia misy « fandidiana » tiana hatao aminy ao izay. Ireto ireo fombam-pitenenana, ka mba maodimaodia :
-tanindrazana iombonana
-fananana iraisana
-zanaka ikambanana
 
Fanafodin’ny hadisoam-panantenana : manampoiza. Ndrao ka hoe nifankatia tamim-bahiny ka mbola tia dia nilaozany fa tsy hanan-kavana afa-tsy ny maty izy rehefa tojo ny amalom-boasira. Misaora an’Andriamanitra raha hotsipazany ny ambinambiny, izay mbola hataony hirahira handatsana anao, izay mbola hampahatsiahiviny anao matetitetika fa ananany famerim-bola ianao … Dia indro ianao hikosoka irery ny maso ditin’ny torimaso sy bongon’ny ranomaso.
 
Izy kosa hisonanina tsara eo ambonin’ny seza narafitrao ho azy …

12:00 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: matory, torimaso, fampatoriana | Comments (0) |  Facebook | | | |