Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 22 September 2017

ARINA AM-BAVA

Atao foana ny tsy hiteny fa ehe.

Tsy tompon'ny telekomandy ny tena dia naheno tsy fidiny "filazam-baovao" tamin'ny Radio iray. Tsy hiresaka votoaty aho satria tsy tena milaza vaovao izy fa "mandray fitenenana". Na, manao vakiteny.

Vehivavy. Vao niandoha dia saika tsy haiko ny nanavaka azy tamin'ilay mpiara-miasa aminy. Ny fomba fiteny io. Mifanahaka, sa mifamindra. Tsy tsara akory anefa. Miraikitra ny lela. Mila tsy ho fantatra izay lazaina. Toy ny hoe feno nify sy lela loatra ao anaty vava. Mikasaoka ny "s". Miovaova ny fanonona ny "r". Mbola zakako ihany ireto : fitsarannn, fanjakannn, ara-dalànnn, Tsaralalànnn, Firenennn...

Fa lokin'ny hehy kosa aho tamin'ilay hoe teti-boule, fitantanam-boule! Ô lehiretsy e. Tafahoatra ny zesta dia mampihomehy.

Tsaroako ilay hoe c'est qui Boule!!!!

15:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: radio, bouche pâteuse, manière affectée | Comments (0) |  Facebook | | | |