Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 16 June 2017

RY TANINDRAZANAY MALALA Ô

Nataoko ho fahazarana ny manangana ny fanevam-pirenena manomboka ny 1er hatramin'ny 27 juin isan-taona, na iza na iza mitondra ny fanjakana.
 
Asa mba firy amin'ny olona mitaiza no nanokana fotoana anoroana an'ireo taizany, ny dika sy lanja ary fombafomba sy fahaiza-miaina miaraka amin'io atao hoe sainam-pirenena io.
 
Taona marobe efa lasa, tanàna kely izay no nonenanay. Isa-maraina dia mandeha mividy mofo any amin'ilay tsenan-tsinoa tokana. Tsy maintsy mandalo an'izay sekoly EPP (école primaire publique) izay. Isa-maraina io sekoly io dia mampakatra saina, fa tsy manao adin'ny kamo toy ny ankehitriny, tsy manao afa-tsy amin'ny fiandohan'ny herinandro.
 
Rehefa anjarako ny mividy mofo, dia ataoko fadin-dambo amin'amboa ny hoe hifanojo amin'ny fotoana fampakaran-tsaina satria tsy tiako ilay hijanona hijajirika eo amoron-dalana eo. Tsy hoe kamo aho na maika, fa tena nahamenatra ahy! Mihazakazaka mahafaty tena aho raha vao hitako mikenonkenona hampaka-tsaina ireo mpianatra. Rehefa tsy izany dia mitakoko miafina ao an-tokotanin'ilay sinoa mandra-pahavitan'ny lanonana. Fantatr'i Dada manko raha hoe tsy nijanona nanaja saina ka dia voakapoka mafy tokoa. Votsotra ny tongotra kely. Dia marary koa ny fo ary miketrika ditra hafa ho valin'izay!
 
Tsaroako izany.
 
Ankehitriny, tsy vitan'ny hoe lehibe aho fa antitra mihitsy. Mandalo eo Ambohidahy eo. Misy trano misy miaramila izay eo, ambanimbanin'ny ministeran'ny varotra, am-pitan’ny vavahady miditra amin’ny Cité Gaillard. Eo amoron'ny fefy manoloana ny lalam-be dia misy tahon-tsaina. Nitohana àry ity fifamoivoizana. Tsy misy atao afa-tsy mandinika ny manodidina rehefa toy izany. Tao an-tokotanin'ilay angamba toby na biraon'antokon-tafika, indreny miaramila roa, namindra toy ny manao matso. Maotina fatratra. Ny iray mitondra sainam-pirenena mivalona eo amin'ny tanany roa mivelatra. Dia nijoro teo anoloan'ilay tahon-tsaina. Dia napetaka ilay saina. Ilay iray nampakatra. Ilay iray nanao salut teo anoloana. Roa lahy ihany ry zareo. Asa raha nisy hira na tsia fa nandroso ny fifamoivoizana.
 
Fihetseham-po hafahafa no tany anatiko. Asa firy tamiko no nahita an'izay seho izay. Raha ny toetrako andavanandro dia angamba tokony ho nihomehy aho. Fa nikentronkentrona fotsiny dia lasa ...
 
Ry Tanindrazanay Malala ô, mampalahelo be ianao.

17:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: manangana saina | Comments (0) |  Facebook | | | |