Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 11 June 2017

FETY BE DA FETY BE

Adihevitra be ny hoe mihinana mba ho velona sa velona mba hihinana.

Misy ohabolana vahiny izay, manao hoe ity firenena ity dia mihady ny fasan-kilevenany amin'ny alalan'ny nifiny!

Any amin'ny tany afrikana sasany, dia voninahitra lehibe izany hoe matavy sy be hatoka satria mari-pananana sy fiadanana.

Noventesin'i #Mamy_Gotso anaty hira hoe mihinàna raha mahita fa ny faty tsy hitahita.

Betsaka ny ohabolana sy oha-pitenenana manambara ny toeran'ny sakafo teo amin'ny Gasy. Fanamarihana kely fa izaho dia miteny hoe ny olona "misakafo" fa ny biby no "homan-kanina"!

Ny Gasy nahalala hoe "hanimpitoloha", "indray mitono valala", "varanga mialin-taona", "vary amin-dronono tondrahan-tantely", "vodihena tsy miainga aloha", "ron'anana ampian-tsetsetra", sy ny sisa sy ny etsetra. Izany hoe nahalala zava-pihinana ankoatra ny vary, nohanina niaraka tamin'ny vary ny Gasy. Ireny ilay antsoina hoe laoka.

Asa na tokony ho efa hihoarana io resaka vary sy laoka io. Asa na mbola tokony hihirifana ilay hoe vary ihany ny anay Malagasy. Tsy manjary manko ity sakafo. Raha vary ihany ny anareo Malagasy, dia fantaro fa tsy tokony ho laoka ny ovy sy ny macaroni! Tsy ampy ny hoe voky. Misy aza ny tsy voky mihitsy, tsy mihinana akory. Misy ny maty noana. Tsy vitsy koa ny maty voky : mihinana ihany fa tsy mahay mihinana. Tsy fahaizana misakafo no ahazoana ny ankabeazan'ny atao hoe "maladies de surcharge" : tosidrà avo, fahatapahan'ny lalan-dra, goutte, fivangongoan'ny menaka any anaty ra, aretin'ny aty, sy ny sisa. Dia somary kevoka isika rehefa atao hoe “aretin’ny mpanankarena” !

Ho avy ity ny 26 juin. Aiza no hanao fety?? Inona no atao hoe fety? Fetin-kanina. Tsisy fety vanona fa tsisy vola e. Toy ny tsy nihinana raha tsy vonto menaka sy hifotra hatrany am-poto-tsofina ary hotsaky ny toaka. Tsy fety raha tsy izany. Ianareo no tsisy hatokona any! Izany no iasanay sy itadiavanay. Aza be fialonana.

Tany amin'ny garabola sy ny sekoly fanabeazana fototra dia nianarana ny atao hoe sokajin-tsakafo enina. Ka raha olona mba nahazo CEPE ihany, dia tokony "hahay" misakafo, na vaintisisy na tsy vaintisisy.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mahaiza misakafo | Comments (0) |  Facebook | | | |