Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 02 September 2019

NY TENY MARO TSY ILAOZAN'OTA

Misy fomba fiteny frantsay manao hoe « rater l’occasion de se taire » rehefa sendra an’ireo olona mitsaontsaona. Ny teny maro manko tsy ilaozan’ota, ary izay voateny tsy azo atelina intsony.

Fa dia misy olona tsy mahay raha tsy miteny, ary eo anatrehan’ny vavolombelona. Entin’ny hafanam-po nahazo fahafahana sy fahefana (miteny), entanin’ny tanjona anankiray mazava tsara hahazoana « toerana », dia miteny ka miteny, mikiry fatratra mivarotra ny tena.

Izay maharitra tokoa no mety ho vadian’ny Andriana ! « Toerana » tena ihirifana ny eo anilan’ny Andriana, mampakatra ny risi-po sy ny fiheveran-tena rehefa voatonon’ny Andriana ny anarana. Tsy maintsy aseho amin’ny Andriana fa izaho no tena mety aminao … Mandranto e

Dia miteny ka miteny. Miezaka fatratra hampiseho fiavahana, fa dia miavaka tokoa ange ! Manaporofo ampahibemaso ny lesoka eo amin’ny fahalalana ankapobeny, mampahafantatra amin’ny besinimaro ny tsy fahampiana eo amin’ny fahalalana fototra, mampiharihary amin’ny rehetra ny tsy fananana ny fara fahakeliny amin’ny fahaizana « miresaka ». Izany hoe miboridana, mihanjaka, mitanjaka. Manaporofo ny havendranana e. Nefa dia tena efa niomanana mihitsy ity fandraisam-pitenenana.

Tena aleo miafinafina sao eny amin’ny mpivarotra anana no hanontany feuille de gélatine, sao mpi-servi lamesa no hantsoina ho mompera, sao rasazy no hoheverina ho dokotera. Tena aleo ihany manoratra tsy misy feony toy izay hibarareoka amin’ny feom-pamosavy ny chance d’eau, stantionnement, nampe de table …

Iza koa anefa no mahalala raha tsindranolahy an-keniheny ihany io, ka sao mba efa karazana iray volo ihany kosa, ny mpanjono sy ny jonoina. Saingy tsy maintsy nentina ankalamanjana ve ny tokony ho any am-badiky ny sehatra ?

07:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: logorrhée, m'as-tu-vu | Comments (0) |  Facebook | | | |