Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 21 March 2017

MAMETRAHA FIALANA

Manakarama an’i Jean-Louis isam-bolana izahay, hikarakara sy hiandry tanàna. Amin’ny ankapobeny dia anisan’ny anton’asany ny fanadiovana. Tsy ilàna fahaizana manokana angamba ny fanavahana ny atao hoe madio sy maloto, ny atao hoe milamina sy mikorontana.
 
I Jean-Louis rahateo dia lehilahy lehibe efa zokinay am-polo taona, heverina ho ampy traikefam-piainana.
 
Tsy izany anefa, fa baikoina isan’andro sy isan-dahasa i Jean-Louis.
 
Rehefa tsy ventesina isan’andro ny toromarika, dia tsy manao mihitsy izy, ary averiny hatrany ny hadisoana ataony. Fa angaha, hono, esorina ireny tain’alika ireny ? Hay esorina ireny ? hoy izy. Efa mila hahateny ny tena hoe tsia, tsy ariana ireny fa atao sakafo!
 
Feno lobolobo mandifotra toy ny tanàna haolo ny manodidina. Tsy lazaina intsony ny fonona biskoitra sy ny fako atsipitsipin’ny zanany, izay tena mbola madinika tokoa, eran’ny tokotany.
 
Mitohy lavareny ny antsirambina sy ny fahavoazana.
 
Nony nanontaniana izy sao efa tsy mazoto hiasa intsony, dia nahantony toy izao ny valin-teny : « ianareo ihany no erany tompoko, raha hoy ianareo hoe tsy mahafa-po ny asako » !
 
Moa va tsy ilay mpitondra fanjakana, antsoantsoin’ny vahoaka hoe mametraha fialana rehefa tsy zaka ny andraikitra !
 
Ka sady tsy fantany ilay andraikitra, no tsy tsapany akory hoe tsy mandeha amin’izay laoniny ny ataony.
Nahoana izy no ho kibo mitsara tena hametra-pialana ?
 
Hoy ianareo hoe nahoana no tsy roahina?
 
Iza no manome antoka fa hahita metimety kokoa noho io ?
 
Dia aza mimenomenona àry.
 
Eny e.

16:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: kibo mitsara tena | Comments (0) |  Facebook | | | |