Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 04 March 2017

RAKETAKA, ANABAVIN-DRABOBALAHY

(sous toute réserve)

Mifamahofaho ny tantara.

Ity dia nampifandrindràna tamin'ny fanampim-panazavana nomen'ny iray amin'ny taranany, tamin'ny 4 mars 2017. Adikako araka ny nanoratany azy. Marihana fa tsy voafehiko mihitsy ny mikasika an-dRaketaka, fa ny version an'ny olona mitonona ho taranany no nampidiriko ato.

Rasalimo, zanaky Ramitraho, Mpanjakan'i Menabe dia efa nanambady tany amin’ny tany niaviany. Naniry hanjaka tany Imerina Ramitraho ka nanao tetika fa hampanambadiana an'Ilaidama Rasalimo. Radama I kosa nitetika hahazo ny fitahian'ny razana amin'ny alalan'ny fahazoany ny taolambalon'ny razambe iombonan'ny Merina sy ny Tanindrana, dia #Immer izay jiosy avy any Babylone.

Tamin'ny nanao armistice ny foko roa, Merina sy Sakalavan'i Menabe, dia nangatahan-dRadama ny taolambalon'ny razambe. Dia namaly Rasalimo hoe "tsy mandeha irery ny razambe fa izaho tsy maintsy miaraka aminy".

Dia nentin-dRadama I niaraka tamin'ny taolambalon'ny razambe Rasalimo, vadiny faharoa. I Mavo (Ranavalona I) no vadiny voalohany. Tsy nifampiteraka ireo.

Niteraka telo Radama I sy Rasalimo, dia Itsimandriambovoka izay voalaza fa nampamonoin'i Mavo. Ary #Rabobalahy sy #Raketaka anabaviny.

Tato aoriana dia nikasa hanambady an'i Tsiomeko, izay lasa mpanjakan'i Nosi-bé indray Radama I noho ny fitiavany hanitatra fanjakana. Saro-piaro Rasalimo ka dia nilaozany Ilaidama. Nanambady an-dRafaralahy, zanaky Rahety anabavin'Andrianampoinimerina indray Rasalimo. Vadiny fahatelo io Rafaralahy io. I Ketaka kosa dia zaza nomba reny tamin'izany, izay nolazaina fa maty mbola kely. Nisy fotoana, nandositra tany Marovoay i Ketaka noho ny tahotra famonoan'i Mavo (Ranavalona I). Izy no reny niteraka an-dRazafindrahety, tamin'Andriantsimianatra, avy ao Moronkay. Voalaza fa teraka tao Manjakazafy, Andakana Ambohidratrimo Razafindrahety, na Ranavalona III.

Nanambady an'ny Printsy Ratrimoarivony Razafindrahety. Vao nivady kelikely anefa dia maty nampamonoin-dRainilaiarivony ny mpitsabo azy io Ratrimo io ary nalainy ho vady Razafindrahety mba hitohizan'ny fitoerany eo amin'ny fanjakana. Voalaza fa Rainilaiarivony koa no namono (nampamono) an-dRamoma, Ranavalona II. Notereny handray fanjakana Razafindrahety avy eo, izay lasa Ranavalona III. Tsy levon'ny andriana merina sasany mihitsy ny maha-tanindrana an-dRanavalona III. Nafenina mafy fa niteraka vavy iray Rainilaiarivony sy Ranavalona III, dia Razafinambolo (zaza nafenina) Philomène na i Princesse Tsinôno, izay notezaina tany anindrana. Nanaovana hira manokana izy io mba hanerena azy hijoro ho mpanjaka, mba hahamoramora ny fahazoan'ny vazaha ny fanjakana (?).

"Homba anao zaho Filomena e "Homba anao zaho Tsinono ô ..."

Izay ny amin-dRaketaka, anabavin-dRabobalahy. Zanaky Radama I sy Rasalimo. Raha fintinina, dia Raketaka no reny niteraka an-dRazafindrahety (Ranavalona III).

IZAO KOSA NY MOMBA AN-DRABOBALAHY #Rabobalahy dia nanambady an-dRazafinandrianampoinimerina, teraky Razakaratrimo avy ao Ambohitrambo #Arivonimamo.

Toy izao ny tetiaran-dRazafinandriana : avy amin'Andriantokanady Andriamarotafika, izay niteraka an-dRazakaratrimo. Tamin-dRasoatambaho no nananany an-dRamonjamanana, anadahin-dRamoma (Ranavalona II), izay rain-Razafinandrianampoinimerina, vadin-dRabobalahy.

Manana taranaka marobe Rabobalahy sy Razafinandriana. Miafina ao #Ampananinarivolahy, avaratr'i Mahitsy izy.

Koa satria niery sy tsy nisehoseho mihitsy ireo hoe taranaky Raketaka, izay misy taranaky Ranavalona III ihany koa araka izany, dia tsy nisy nifandraisana mihitsy ny roa tonta, dia ny taranaky Rabobalahy sy Raketaka anabaviny.

(...)

 

 

15:45 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: philomène, tsinôno, raketaka, rabobalahy, jean kely sy basth | Comments (0) |  Facebook | | | |