Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 14 December 2017

IKOTOFETSY MILEVINA AMORON-DALANA

Misy fasana ireo takon’ny hazo ireo fa teny am-pita no nalaina ny sary. Amin’ny ankavanan’ny lalam-pirenena faha-4, afaka kely an’Andranovelona raha ho any Mahajanga. Ambohidambinana no anaran’ny toerana, akaikin’ilay tanàna vaovao hoe Vohikanto. Fasan’Ikotofetsy sy Imahakà, hono, ireo.
 
Fa tena nisy izany ry zareo ary nisy rohim-pihavanana ? Sa natambatry ny hafetsena ? Tsy lavitra eo Ibabay sy Ilohavohitra, izay misy tantarany ihany koa.
 
Toy ny lalao, ny « imaginaire » dia manana anjara toerana lehibe amin’ny famolavolana «olona». Anatin’izany ny karazana angano, ny Ingahibe Noely, …
 
Taranja hafa manokana mihitsy iny. Manahirana loatra ny olon-dehibe manoro rehefa «boka» ny zanany amin’ny lalao fangala-piery …
 
Tsy ho ampy ny androm-piainako hitetezana an’ireo toerana rehetra maha-be resaka misarina angano. Mbola hahita angano sy hidirana angano amin’ity fitiavan-tsiritsirika ity indray andro any.
 
Tao ambany atsinanan’Ambohimanoa dia gaga ihany aho nahita ilay dobo hoe nitaingenan’ny Andriambavy anankiray ravin-tatamo …
 
Rabeniomby sy Ravolahanta, hono, tena nisy saingy toa tsy hita faty fa levona ao Tritriva. Notsongoiko ilay hazo fa tsy nandeha ra velively …
 
Tsy isalasalako kosa fa angano ry Darafify niavian’ny ranomasina, ry Rapeto nametra-tongotra teny amin’ny volana, ry Itrimobe mpanimbolo olombelona .
 
Fa zazavavindrano tokoa ve Ranoromasina nifady sira teny Antehiroka ?
 
Inona no naha-Ampananina an’Ampananina ? Ny tsinain’ny andriana manko, hono, rehefa alefa ao anaty dobo na farihy dia manjary fananina fito loha … Tsy milevina miaraka amin’ny tsinainy manko ny andriana sasany.
 
Mbola ao ny filalaovam-panorona eo Ambatomiantendro.
 
Ny afon’Antongona koa efa nisarika ny saina.
 
Tamin’ny boky famakian-teny no nahalalana an’Ampasamanantongotra. Dia tsy arakaraka ny naminavinana azy ireto atao hoe tongotra.
 
Any ho any ihany koa Andriambahoaka-afovoan’ny tany. Mbola hotetezina ny Andriambahoaka rehetra.
 
Ary Ranakombe (sa Ranokombe), lehilahy sa vehivavy, mpanao hatsarana sa ahoana ?
Tsy maintsy hipoitra ihany hoe taranaka mpamosavy …
 
Ary ny zanajavatra ve tena misy ?
 
Dia baraingo avokoa izy izany. Angano angano, arira arira.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ikotofetsy, ambohidambinana, ibabay sy ilohavohitra | Comments (0) |  Facebook | | | |