Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 05 July 2018

GOUTTE

Ny rhumatologie dia sampam-pahalalana mikasika ny vanin-taolana (articulations). Rhumatisme no anarana iombonan’ny aretin’ny vanin-taolana. Aigu na chronique. Chronique ilay efa mitarazoka, efa niotrika sy nivoatra tsikelikely. Mety ho vokatry ny fahasimbana noho ny fahanterana na fikasokasohan’ny lohan-taolana roa rehefa ela ny ela (dégénératif). Mety ho vokatry ny karazana otrikaretina (infectieux na inflammatoire). Mety ho avy amin’ny fitobiana singa isan-karazany avy amin’ny faika na vokatry ny fandevonan-kanina (métabolique).
 
Tsy izay marary vanin-taolana rehetra dia voan’ny rhumatisme. Io ilay lazaiko hoe tsy antsapaka ny médecine. Misy siansa mazava ahatongavana amin’ny filazana hoe inona ity aretiko ity (diagnostic), na ny fomba itsaboana ahy izay tokony hiainga avy amin’izay tena aretiko izay.
 
Ny goutte dia aretina mahazo ny vanin-taolana, mazàna ao anatin’ny sokajy métabolique. Ny fandevonana ny sakafo misy purines (karazana azote) dia manome ny atao hoe acide urique. Ny fatran’io ao anaty ra no atao hoe uricémie. Rehefa tsy voailika any amin’ny fanariana azy toy ny pipi io acide urique io dia miakatra ny tahany ao anaty ra, miakatra ny uricémie, dia antsoina hoe hyperuricémie. Antony roa no mahatonga an’io :
-na be loatra ny sakafo misy azote,
-na misy olana ny fanariana ny acide urique noho ny insuffisance rénale, ohatra.
 
Rehefa be loatra ny acide urique ao anaty vatana, dia manjary mitobitoby any anaty vanin-taolana rehetra any, mahatonga aretina atao hoe Goutte. Manaintaina tampoka ny vanin-taolana tratra, matetika ny ankihiben-tongotra.
 
Tsy izay marary ankihiben-tongotra rehetra na lohalika dia voan’ny goutte. Analyse ihany tompoko no ahafahana manitrikitrika aretina anankiray.
 
Mety hitoby any an-tsoson-koditra any koa ireny potipoti-javatra (cristaux) ireny, mety hahatonga vato (lithiase) any rehetra any, rénale na biliaire. Calcul hoy ny besinimaro.
 
Tsy voatery hitarika fanaintainana ny hyperuricémie. Asymptomatique izy amin’izay, tsy misy symptômes (soritr’aretina).
 
Mba ho fisorohana, na fanamaivanana, dia misy fomba fiaina tokony hananana, tokony hatao fahazarana dieny mbola kely, dieny mbola tsy marary. Raha efa ahiana ho mety ho voan’ny goutte (taranaka olona efa nisy tratra, matavy, manamanana aretin’ny fisakafoana be loatra, efa miakatra noho ny tokony ho izy ny uricémie) dia ahena ireto. Fadiana kosa raha efa tena voa.
 
TAOVAN-KENA (abats) : atinkena (foie), atidohankena (cervelle), voankena (rognon), ris de veau, vorivorinkena (tripes), tsinainkena, lelan’omby, fonkena, ny hena voahodina rehetra atao hoe charcuterie, hatramin’ny saosisy ihany koa. Na handroina io, na atono, na alain-drony na vontosana angivy, dia TSY TSARA.
 
HAZANDRANO SASANTSASANY : Ny trondro lazaina hoe « bleus » toy ny anchois, hareng, sardine. Ny carpe (ny trondro gasy dia karazana carpe), ny brochet, ny truite, ny saumon, ny morue (cabillaud), ny atodin-trondro (caviar), ny coquillages rehetra, ny crustacés toy ny foza sy crevettes indrisy. Na handroina na atono, na endasina na atao lasopy dia TSY TSARA.
 
HENA : Ny vokatry ny haza rehetra indrindra raha faisandés na boucanés, ny kitoza nohamainina sy nosetrohana, ny gana, ny gisa, ny voromailala, ny fromages fermentés, ny bouillon vita amin’ny hena, karazandrazan’itony Cube Jumbo, Maggi, Knorr itony.
 
Dia hoy ianareo hoe inona ihany SISA izany no hohanina. Inona INTSONY izany ny fiainana. Tsy sakafo ihany no fiainana fa mba tokony hihoarantsika io filàna fototra ifandrombahana itoviana amin’ny biby io. Atao amin’ny antonony ny zava-drehetra mba tsy hahatongavana amin’ny TAHAKA IZAY, mba tsy hanafohy ny ho lava. Inona izany no tokony hatao ankoatra ny fifehezana ara-tsakafo.
 
RANO : Misotro rano 1.5 hatramin’ny 2 litatra isan’andro. Ny atao hoe iray andro dia 24 ora. Mba tsy haha-toy ny asa an-terivozona azy dia iray vera isaka ny adiny 2, sy isaka ny alohan’ny hipipi. Mangatsiaka ny andro dia kamo ny maro hivoaka sy hitsangana lava ho any amin’ny WC. Aleo mandoa dina tompoko toy izay mahazo aretina tsy sitram-panafody sanatria !! Ho an’izay afaka mahita Eau de Vichy (tsy ranovisy gasy io an) dia atao an’io ny antsasaka litre.
 
AHENA NY ALCOOL : Ahena tanteraka rehefa tsy ho voafady ny alcool, indrindra ny vin de Bourgogne.
 
AHENA TSIKELIKELY NY LANJA : ahena ny glucide, atombo ny protéine, atao betsaka ny légumes manta sy ny voankazo, tsy ampiampiana siramamy daholo izao rehetra izao, tsy izay mitavona menaka no atao hoe matsiro, tsy atao mitafotafo ny sakafo, izay AMPY fa tsy izay MAHAVOKY, tsy mitsako anelanelam-potoana, mihinana miadana sy maka toerana tsara. Tsy asiana fotoana ihinanana BE sy MATSIRO sy IHAFIANA VELONA. Mendrika ihinanana araka ny tokony ho izy avokoa ny andro rehetra nataon’Andriamanitra.
 
MAMPIHETSIKA VATANA : Ny fahalaina-mihetsika, ny fitomoemoeram-poana, ny hakamoana dia miantso karazana aretina maro. Ilaina ny mampiasa vatana amin’ny fomba mirindra (régulièrement).
 
RONONO : Ny rononon’omby dia mampidina ny fatran’ny acide urique any anaty ra (uricémie). Miaro amin’ny goutte koa izy noho izany. Mampihena ny risque hatramin’ny 21% ny fisotroana ronono velona. Olon-dehibe iray mba misotro ronono velona 1 na 2 kaopy isan’andro.
 
Tsy tsara kosa ny soja, vao mainka mampakatra ny uricémie. Tsy dia manoro hevitra loatra mikasika an’ity soja ity aho fa ny voka-dratsy entiny no betsaka noho izay mety ho tsara, izy efa tsy tsara tsiro rahateo

18:00 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: goutte, hyperuricémie | Comments (0) |  Facebook | | | |