Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 22 May 2011

KIDAONA MARAINA

Aleo mba marihana foana
Fa nisy an'izany Kidaona
Noenjehina isa-maraina,
Nifohazana mbola nalaina!

Zary tenany ireo hanihany,
Mody adala fa lalina ihany;
Raha ho ahy dia nanitatra saina
Ny fihainoako Kidaona Maraina!

Samy manana ny hanitra ho azy
Ireo mpanentana be vazivazy,
Tsy azo alahatra mba hotsaraina
Fa izay no Kidaona Maraina!

Rondro HR 09/09/05
Ho azy dimy lahy zanako sy ny Andrefan'Alatsinainy

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: kidaona maraina, francis turbo, gothlieb, honorat, eric, zafihita | Comments (0) |  Facebook | | | |