Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 31 March 2018

RAMATOA

Tsaroako ireo tolakandron'ny talata, niarahako tamin'i neny, namonjy fihaonan'ny fikambanam-behivavy tao am-piangonana, nahazoako anarana hoe "ilay Dorkasy kely".

Tsaroako ireo zavatra marolafy haiko noho ireny fotoana ireny.

Tsaroako ireo endrika rehetra nitsikitsiky tamiko, izay efa maro no tsy ho hitako intsony; nanampy isa an'ireny i Ramatoa.

27 mars 2018, andro talata indrindra koa manko no nodimandry Raneriarisoa Charlotte, na i Ramatoa, vady navelan'ny Mpitandrina Rasolofoson Samuël.

Raha izaho no mpandahatra, dia hataoko hoe ny antsasaky ny androm-piainako no teo ambany fitaizan'izany Raiamandreny izany.

Raha misy mba azo deraina ety amiko, dia isan'ny tompon-tanana tamin'izany izy mivady.

Tsaroako Ramatoa sy ny halemem-panahiny, manonona ny olona tsirairay amin'ny anarany...

Tsaroako Ramatoa, mitendry harmonia rehefa tsy mandeha ny orgue ...

Androany, sabotsy 31 mars, ankatoky ny Paska 2018, no haverina amin'ny Tany ny nofony, nitsahatra tamin'izay nisasarany.

Tomany ny fo mahatsiaro ...

Mandria am-piadanana, Ramatoa.

14:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: raneriarisoa charlotte, fjkm ambatonakanga tranovato | Comments (0) |  Facebook | | | |